Tatitra sy fijery : 50T /200T .

Fiaingana vaovao .

Dia vita soa aman-tsara ny fankalazana an’Andriamanitra, tamin’ny Ivon’ny Taon-Jobily roa sosona teo amin’ny FJKM. Nanokatra fiaingana vaovao, avy amin’ny famantarana ny tantara sy ny Jobily, ny fitandroana ny Firaisana izany. Nefa dia hiampitana amin’ny fampandraisana andraikitra ny zanaky ny FJKM araka ny Fanamby izany.

FIHAONANA TAMIN’NY TANTARA

Am-bolana ny dia teny an-tsambo ho an’ireo fianakaviana kely roa, nahitana mpivady sy zanany iray avy. Teo  i David Jones telo mianaka, ary teo koa i Thomas Bevan telo mianaka. Nindaosin’ny fahafatesana izy rehetra, afa-tsy David Jones irery ihany. Io fahasahiana misedra ny fahafatesana io dia anisan’ny lova lehibe ho an’ny FJKM.

Taorian’ny nitondran’ny Misionera, dia efa vonona handimby azy ny Fiangonana Malagasy. 18 taona (1950-1968) no niasan’ny Komitin’ny Firaisana, dia nijoro ny FJKM. Azo lazaina fa nanamarika izao 50 taona voalohany teo amin’ny tantaran’ny FJKM io fitandroana ny Firaisana io. Tsy nahavaky azy ny fahasamihafan’ny Fombam-piangonana, ny toe-draharaham-pirenena, ny fiaviana samihafa, sns.

NIAINA NY ATAO HOE :  JOBILY

Niaina ny vontoatin’ny Jobily ny FJKM tany Toamasina ny 12-19 Aogositra 2018 lasa teo. Niantso fifamelan-keloka ho an’izay tsy nitovy hevitra, ary mety nifandrafy koa aza ny FJKM, noho ny antony samihafa. Tsy voatery ho antony ara-piangonana na ara-pivavahana ireny, fa tena mety ho zavatra ivelan’izany mihitsy, saingy dia nampiteraka tsy fitovian-kevitra.

Tsongaina ohatra, ny antony ara-piaviana na ara-pirazanana, izay mety tsy nahafahan’ny mpitondra fivavahana iray nitondra fiangonana izay misy mpivavaka tsy iray fiaviana na firazanana aminy. Mety niova endrika izany taty aoriana, ka nanilihana izay tsy iray firehana politika amin’ny mpivavaka na mpitarika fiangonana.

FIANGONANA MITANA NY FIRAISANA

Ny Fiangonan’i Kristy eto Madagasikara (FKM) dia niaina ny rafitra kongregasionalista, izay nanome vahana kokoa ny Fiangonana eo an-toerana. Ny fifidianana izay Mpitandrina tiany hitondra azy no anisan’izany. Ny Fiangonana ara-Pilazantsara eto Madagasikara (FPM) dia niaina ny Rafitra Synodaly kokoa, ka ny fanendrena Mpitandrina no anisan’ny nahazatra azy, araka ny fanendren’ny Synoda (Faritany sy Foibe). Ny Fiangonana Frenjy Malagasy (FFM) dia tsy mba Fiangonana eran-tany fa fikambanana, ary nanome vahana kokoa ny fifampihainoana rehefa mifandresy lahatra.

Fa miara-dalana amin’izany ny Firaisan’ny FJKM amin’ny Fiangonana rahavavy eto an-toerana sy avy any ivelany, na dia samihafa fomba sy fampianaram-pinoana aminy aza izy ireny. Fiarahana mijoro vavolombelona izany, ary mahamafy ny feon’ny Fiangonana mitambatra rahateo.

FAMPANDRAISANA ANDRAIKITRA

Ny zavatra masaka tao an-tsain’i David Jones, dia ny hiakatra ho an’ny amin’ny mpanjaka Radama I, mba hahazo alalana hitondra fampandrosoana ho an’ity firenena andalam-pijoroana ho firenena misy fanjakana tokana ity. Afaka miasa sy mitory malalaka izy, rehefa nahazo ny fankatoavan’io mpanjaka malagasy io. Ny soratra, ny asa tanana, ny fampianarana, ny fitsaboana, sns: izany no nirian-dRadama I hampandroso ny fireneny, ka nilany ny olom-piangonana protestanta.

Ary mandraka ankehitriny, dia izany hatrany no irian’ny FJKM: miantso ny zanany rehetra handray andraikitra. Ny fanoherana ny fanjanahantany (VVS, MDRM) dia samy nisy mpitondra fiangonana sy kristiana nirotsaka tamin’izany. Ary taty amin’ny fahazoana ny Fahaleovantena, dia mbola izany hatrany. Tsy menatra ny ho vavolombelon’ny Tompo amin’ny fanaovana politika, fandraharahana, fanabeazana, sns ny zanaky ny FJKM. Tsy hitazana fotsiny ny fahantrana mihoampampana, ny fanjakan’ny kolikoly, ohatra ny FJKM.

FANAMBY

Tamin’ny taona 1968 nijoroan’ny FJKM, dia 6 tapitrisa ny Malagasy. Raha nahatratra ny faha 25 taona nisiany izy, dia 12 tapitrisa ny mponina. Ankehitriny, amin’izao taona 2018 izao, dia mahatratra 25 tapitrisa ny Malagasy. Izany hoe, 50 taona aty aorian’ny fisiany izany. Isaka ny 25 taona izany, dia avo roa heny ny isan’ny mponina. Amin’ny taona 2043, raha ho feno 75 taona ny FJKM, dia 50 tapitrisa ny mponina. Ary raha tonga ny taona 2118, ka ho feno 100 taona ny FJKM, dia hahatratra 100 tapitrisa ny vahoaka malagasy.

Ho firy ny Kristiana FJKM amin’izay fotoana izay? Sady nanao Fanamby tany amin’ny Synoda Lehibe tao Antsirabe (2016) rahateo ny FJKM fa, “hijanona ho firenena kristiana hatrany i Madagasikara, amin’ny taona 2118”. Izao dia efa mandrafitra ny tetika hahatongavana amin’izany, ka ny Kaominina 407 izay tsy mbola ahitana trano fiangonana FJKM dia ho rakotra alohan’ny taona 2020. Mitombo ireo kristiana FJKM manao Misionera manorina Vondrom-piaraha-mivavaka. Nosokafana ny TPM any Ambatondrazaka, mba hampitomboana ny isan’ny Mpitandrina hirotsaka miasa isan-taona. Hiitatra any amin’ny faritra maro eran’ny Nosy ny Radio Fahazavana, hampielezana ny fampianarana sy fitaizana kristiana.

A.Zaka, Mpitandrina

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV