SFL / Fifaninanana Hira faneva 40T

FAHA 40 TAONAN’NY SFL (1979 – 2019)

ANTSO FIFANINANANA HIRA FANEVA

Ry Havana, ho aminareo anie ny fiadanan’I Jesoa Kristy Tompontsika.

Ho fanamarihana ny fankalazana an’Andriamanitra noho ny faha 40-taonan’ny SFL FJKM, ny Birao sy ny Komitin’ny fankalazana dia mampanao fifaninanana hira faneva, araka izao manaraka izao:

1-     Miainga amin’ny teny faneva hoe:  “Ary izaho kosa haneho aminao ny finoako amin’ny asako” Jakoba 2: 18b

2-     Misy andininy telo (3), andalana 4,  miampy fiverenany iray (1), voarindra feo efatra (4) vita SOLFA

3-     Mientanentana, maredona tsara sy mora hirain’ny rehetra

Atao anaty kapila mangirana (CD) iray ireto :

Ny hira tsy misy zava-maneno (SOLFA)

Ny feon-java-maneno (playback)

Hira (feo 4) miaraka amin’ny zava-maneno

Atao anaty valopy kely MIKATONA, tsy misy soratra na marika manokana ireto:

Anarana feno, Adiresy mazava, laharan’ny Finday, Fiangonana niaviana.

Atsofoka anaty valopy lehibe iray tsy misy soratra ireo voalaza rehetra eo ambony ireo ka aterina mivantana aty @ Foibe Sampana Fivondronana Laika  Immeuble IFANOMEZANTSOA I Analakely Rihana faha-5 varavarana 502 B.P. 623 – Antananarivo 101

FANAMARIHANA:

. Fe-potoana farany handraisana ireo vokatra: Zoma 28 Septambra 2018 amin’ny 4 ora hariva.

. Mijanona ho fananan’ny SFL ny hira rehetra voaray.

. Ny mpifaninana mendrika telo voalohany amin’ny fifaninanana dia hotolorana fankasitrahana.

Ho Voninahitr’Andriamanitra irery ihany

Ny Filohan’ny faha-40 taona

RAMAMONJIARISOA Robert, Mpitandrina

 

SAMPANA FIVONDRONANA LAIKA (SFL)

Immeuble IFANOMEZANTSOA I Analakely

Rihana faha-5 varavarana 502 B.P. 623 – Antananarivo 101

BFV N° 00005 210 002 687 51 89 BFV Antaninarenina

Tel  020 22 287 90 / 034 95 526 27 / 033 41 086 45

e-mail :  sflfjkm@gmail.com

„Inona no ataonareo mihoatra noho ny sasany.?“ (Mat. 5,47b)

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV