FISAORANA
FISAORANA
« Koa aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika » 2 Tim 1.8a
-Ny Mpiandraikitra FOIBE
-Ny Filohan’ny BMF / FJKM
-Ny Biraon’ny Mpiandraikitra FOIBE
-Ny Filoha sy ny Komitin’ny faha- 50 T sy 200 T
nahatongavan’ny LMS
Dia maneho fisaorana sy fankasitrahana antsika vahoaka kristiana FJKM
notarihan’ny Président Synodal, ny Mpitandrina , ny Katekista Delege , ny Katekista manerana ny sahan’ny FJKM noho ny fiombonam-po amam-panahy tamin’ny Fankalazana an’ Andriamanitra , izay natao tany Toamasina ny 12-13-14-15-16-17-18-19 Aogositra 2018 . Andriamanitra Lohan’ny Fiangonana anie hampitombo hatrany ny fahasoavany ho amintsika tsy ankanavaka isambatan’olona . Hiroborobo hatrany ny anie ny fiangonana ka tsy ela dia ho vonton’ny Filazantsara ny Nosy Madagasikara
Ho an’ Andriamanitra irery ny Voninahitra .
Ny FOIBE FJKM