Alatsinainy 20 Aogositra 2018

1 Samoela 19, 1‑7

Hetsi-panoherana ny herisetra

Baiko maniraka antsika hanao hetsika ny hoe : “Mitsangana hanohitra ny herisetra”. Inona ny tokony hatao ?

1 – Soroy ara-potoana ny herisetra

Vantany vao fantatr’i Jonatana ny fikasan-drainy hamono an’i Davida dia nitsangana sy nanao hetsika avy hatrany izy ho fisorohana ny herisetra (and. 2‑3). Mila fanapahan-kevitra ara-potoana sy fahasahiana hanao hetsika ara-potoana ny fanakanana ny herisetra mba ho fisorohana ny famonoan’olona.

2 – Ampanjakao ny fitiavana

Fitiavana an’i Davida indrindra no nahatonga an’i Jonatana nanakana an’i Saoly rainy tsy hampiasa herisetra amin’i Davida (and 1b). Hery lehibe ahazoana manohitra ny herisetra ny fitiava-namana. Didy nomen’i Jesoa antsika rahateo izany ka tsy maintsy iainantsika amin’ny teny sy ny atao rehetra ho fisorohana ny herisetra.

3 – Ampihavano izay mety hifandrafy

Nirotsaka ho mpampihavana i Jonatana ka voasoroka sady voatohitra ny herisetra (and. 4‑7). Mpampihavana amin’ny anaran’ny Tompo izay rehetra mety hifandrafy ny Fiangonana mba ho fisorohana ny herisetra. Izany rahateo no maha-zanak’Andriamanitra antsika koa mijoroa ho mpampihavana ho fanoherana ny herisetra (Mat 5.9).

Fanontaniana :
Afaka manao tahaka an’i Jonatana ve ianao ho fisorohana ny herisetra ?

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV