Alahady 19 Aogositra 2018

Mitsangana hanohitra ny herisetra 

Efesiana 4, 25-5, 2

Ny mino mitafy toetra vaovao

Ny tokony ho toetran’ny mpino mitafy fiainana vaovao no tanisain’i Paoly eto. Izany mpino mitafy toetra vaovao ihany no afaka ny hanohitra ny herisetra satria :

1 – Manaiky havaozin’ny Fanahy Masina izy (and. 25-31)

Tanisain’i Paoly sy ataony lisitra mihitsy ireo ezaka rehetra tsy maintsy ataon’ny mino mba hananany fïtondran-tena mendrika : miala amin’ny lainga ka milaza ny marina, tsy manota na dia tezitra aza, tsy mangalatra, tsy miteny maloto. Miala  amin’ny fo lentika, fahavinirana, fahatezerana, fitabatabana fitenenan-dratsy, lolom-po. Izany no hatao dia ny mba hisorohana ny fanaovana sy herisetra sy ho fanoherana izany. Ny fanekena hotarihin’ny Fanahy Masina sy ny fanekena ny hohavaoziny no hotafiana toetra vaovao sy hahatanterahana ireo voatanisa eo ambony ireo.

2 – Manahaka ny Tompo izy (and.5,2)

Ilaina fahafoizana, fanoloran-tena, fitiavana, fahalem-panahy ary fahavononana hamela heloka hatrany ny ady atao ho fanoherana ny herisetra. Izany no tsy maintsy hanahafantsika ny toetran’Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy. Andriamanitra Ray no ilay nahafoy ny sarobidy teo aminy indrindra mba ho famonjena antsika. I Jesoa kosa no ilay feno fitiavana ka nanololra ny ainy hamonjy ny hafa. Nanana fahalemem-panahy sy fiantrana ary namela heloka mandrakariva Izy.

Fanontaniana :

Efa tonga olom-baovao ao amin’i Kristy ve ianao ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV