Zoma 17 Aogositra 2018

Mitsangana hanohitra ny herisetra 

Romana 12, 17-21

Ho fisorohana ny herisetra

Toro-marika maromaro no omen’ny Tompo antsika eto ho fanehoana eo anivon’ny fiaraha-monina fa tena mpino kristiana marina tokoa isika. Azo atao ny miaina ireo mba ho fisorohana ny herisetra.

1 – Aza mamaly ratsy ny ratsy (and 17.19)

Na mikendry ny hanisy ratsy antsika aza ny hafa. Ho fisorohana ny herisetra sy tsy hahatafalatsaka antsika amin’ny fanaovana izany dia aoka hiomana hanao izay mahamendrika mandrakariva isika ka tsy hamaly ny ratsy ny ratsy. Ny Tompo hiady ho antsika fa isika kosa hangina (Deo 32.35). Ho fisorohana izany indrindra dia ny fanehoam-pitiavana izay mikasa hanao herisetra na manao herisetra amintsika no takian’ny Tompo amintsika (and 20-21)

2 – Mihavàna amin’ny olona rehetra (and 18)

Ny fifandrafiana sy ny adilahy no anisan’ny miteraka herisetra be indrindra. Izay misoroka ny tsy hisian’ny fifandrafiana sy ny ady no misoroka ny tsy hisian’ny herisetra. Taomin’ny Tompo isika mpino mba hihavana amin’ny olona rehetra, araka izay azo atao, sy hampanjaka ny fihavanana eo amin’ny sehatra rehetra misy antsika. Ny hampanjaka ny fiadanana izay midika ho filaminana no antom-pahatongavan’i Jesoa ho olona teto amin’izao tontolo izao.

Fanontaniana :

Efa mba nanao soa izay nanisy ratsy anao ve ianao ?

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV