Alarobia 15 Aogositra 2018

Mitsangana hanohitra ny herisetra 

2 Samoela 3, 17-29

Mitsara izay mpamono olona i Davida

1 – Davida mandray ny fahavalony (and 17‑23)

Abnera dia mpitari-tafiky ny miaramilan’i Saoly sy Isboseta zanany (and. 7-11), izay nanapa-kevitra hanaraka an’i Davida voahosotr’i Jehovah ho mpanjakan’ny Isiraely (1 Sam 16,13). Noraisin’i Davida sy nanaovany fihavanana ny mpitari-tafik’i Isboseta. Manafoana ny ady sy ny herisetra ny fihavanana sy ny fanarahana izay nohosoran’i Jehovah ho mpanjaka (and 21). Rehefa tsara ny fihavanan’ny mpitarika dia ho mora ny fitarihana ny vahoaka hanaraka ny voahosotr’i Jehovah. Miavaka tokoa ny olom-boahosotr’Andriamanitra miatrika ny olana sy ny herisetra ao amin’ny fiangonana sy ny fanjakan’i Isiraely. Misoroka ny ady sy ny loza haterany. Fahendrena avy any ambony ny mitia ny olona, eny fa na dia izay mitsangana ho fahavalon’ny tena izao aza.

2 – I Davida mpanjaka mitsara ny Isiraely

Mandà ny valifaly i Davida mpanjaka. I Joaba mpitari-tafik’i Davida dia tsy nankato ny tenin’i Davida mpanjakany fa maika namaly faty an’i Abnera, izay namono ny an’i Asahela rahalahiny (jereo 2 Sam 2, 23). Mandray ny vahoakany miova sy mandàla ny marina i Davida. Mandà ny valifaty  ny mpitsara marina, ka tsy namela an’i Abnera hovonoina. Entanin’ny fankahalana anefa i Joaba ka nahafaty izay efa nihavanan’ny mpanjaka. Tetika famonoana olona ny fiampangana lainga sy fihatsarambelatsihy (and 25 ; 27). Nomelohin’i Davida i Joaba amin’ny maha mpitsara azy (and 28-29). Tsy manan-keloka amin’izay vono olona sy herisetra izao i Davida, fa mitatao amin’i Joaba sy ny taranany ny loza rehetra eto an-tany (28-29).

Fanontaniana :

Inona no voka-tsoa avy amin’ny fahamarinana ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV