Talata 14 Aogositra 2018

Mitsangana hanohitra ny herisetra 

Ohabolana 6, 12-19

Ny loharanon’ny herisetra sy ny vokany

1 – Ny olona tena ratsy fanahy (and 12-15)

Mandehandeha sy tsy mitsahatra mandainga sy mamitaka ny ratsy fanahy ary manaratsy amin’ny lelany sady feno hafetsena. Fitaka ny asany sady manana paikam-pifandraisana amin’ny namany : mipi-maso, manao famantarana amin’ny tongony sy ny tànany ka miafina ho olo-marina amin’ny ataony. Io ilay lazain’i Jesoa hoe : « fasana milalotra fotsy » (Lio 23, 27), ka loza eo amin’ny fiarahamonina sy ny fiombonana. Zava-doza ny ataony satria mampiely faingana ny ratsy ataony izy, noho izy tsy mitoetra an-trano fa mandehandeha.

2 – Ny fahavetavetana eo imason’i Jehovah (and 16-19)

Fito ny isany : avonavona, lainga, mamono olona marina, sain-dratsy, haingam-panao ratsy, vavolombelona mandainga, mamafy ady amin’ny mpirahalahy. Ireo rehetra ireo dia manimba sy manapotika ary mampahory sy mampijaly ny marina sy ny mahitsy. Andriamanitra Masina sy Marina ny Tompo ka milaza izany ho fahavetavetana sy fahalotoana.

3 – Hotsarain’Andriamanitra ny ratsy fanahy.

Ho tampoka aminy ny loza hihatra aminy noho ny fankahalan’Andriamanitra ny fahotana (and 15). Tsy hisy fahasitranana ho an’ny ratsy fanahy rehefa tonga ny fanorotoroana azy amin’ny farany. Manararaotra manao ratsy ny ratsy fanahy, satria mahari-po ny Tompo mba hialany amin’ny lalan-dratsy. Rehefa tonga tampoka Izy dia hitsara ny olombelona rehetra. Ampianarina ny mpino tsy hitsiriritra ny ratsy fanahy ambinina amin’ny asa ratsiny.

Fanontaniana :

Inona ihany koa no heverintsika ho loharanon’ny herisetra ?

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV