Alahady 12 Aogositra 2018

Mitsangana hanohitra ny herisetra 

Lioka 20, 9-18

Ny fahefan’i Jesoa Kristy

1 – Fahefana maniraka mpanompo

Miantso sy maniraka olona ny Tompo ho famonjena izao tontolo izao. Maro araka ny sokajiny avy ireny iraka hanorina ny fanjakany ireny. Izay rehetra nirahin’ny Tompo teo amin’ny israely anefa dia samy novoniny avokoa, anisan’izany i Jaona mpanao Batisa tamin’ny andron’i Jesoa tety an-tany. Nofidina manokana ny Israely hamboly sy hiasa ny tanimboaloboka, saingy ny herisetra tamin’ny irak’Andriamanitra no nataony.

2 – Fahefan’ny zanaky ny tompon’ny tanimboaoboka

Fahefana avy amin’ny Andriamanilra Ray ny fahefan’i Jesoa Kristy. Izy no Zanaka malala sady Lahitokan’ny Tompon’ny tanimboaloboka. Fahefana feno avy amin’ny Ray ny Azy. Tonga Izy hitady ny vokatra ety an-tany, dia ny olombelona ho an’ny Tompo. Izy no iorenan’ny fanjakan’Andriamanitra izay nolavin’ny Jiosy ,nomena andraikitra hanao ny trano sy hiasa ny tany. I Jesoa Kristy no mpandova ny tanimboaloboka novonoina noho ny fialonan’ny olona Azy.

3 – Fahefan’ny Zanak’Andriamaniîra

I Jesoa no Tompon’ny Fanjakan’Andriamanitra novonoin’ny Jiosy teo amin’ny hazofijaliana. Koa hoesorin’Andriamanitra aminy ny fanitarana ny fanjakan’Andriamanitra fa nomeny izay rehetra mino sy manaiky Azy. Izany no andraikitry ny Fiangonana, hanangona ny olona hovonjena. Ilay Tompon’ny fanjakana no novonoina. Ilay vato fehizoro maha-trano ny trano sy ny fanorenana no nolavin’ny Jiosy.

Fanontaniana :

Manao ahoana ny fahefan’i Jesoa Kristy amin’ny fiainantsika kristiana ? Manaova fandinihantena .

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV