Sabotsy 11 Aogositra 2018

Mitsangana hanohitra ny herisetra

2 Timoty 2:22-26

Mpitarika mandresy herisetra
sy fampianarana sandoka

1– Mandositra ny filan’ny tanora fanahy (and. 22)
Fiadiana mahomby omena ny mpitarika amin’ny fivavahana sy ny finoana kristiana no omen’ny Tompo eto (and. 14). «Miezaha mitady fahamarinana, finoana, fitiavana». Ny tsy fahamarinana na ny tsy fiainan’ny mpitarika amin’izany no ilazana azy ho tanora fanahy na zazavao amin’ny finoana (and. 22, I Tim. 3:6). Rehefa miaina sy mahatratra ireo ny mpitarika eo amin’ny Fiangonana dia ho tratra ny zava-kendren’ny fitoriana ny filazantsara sy ny teny fikasan’Andriamanitra, ka mitondra fiadanana sy mandrava ny adilahy ao amin’ny Fiangonana, dia “izay miantso ny Tompo amin’ny fo madio”.

2-Mandà ny fanontaniana adaladala (and. 23)
Mampiorina sy mampandroso ny Fiangonana ny fampianarana fa “tsy ny ady teny”. Noho izany ny mpampianatra dia ho malemy fanahy sy be fandeferana, tia fihavanana. Mandray ny mpanohitra azy izy. Ireny koa dia raisin’ny Tompo ho ondriny ka tsy ahilika na roahina. Tsy toy ny mitondra entana ny fitarihana ny olona ho ao amin’ny Tompo, fa misy hatrany mpanohitra ny fahamarinana. Mijoro amin’ny fitiavana sy fîhavanana ny mpitarika mba hahatonga ireny ho amin’ny fibebahana. Resena sy ravana amin’ny fivavahana sy ny fampihavanana ny fandrika sy ny fikasan’ny devoly. Mpitarika mahay mampianatra sy mitondra ho amin’ny fibebahana no mpampianatra sitraky ny Tompo. Izany no afaka handresena ny fampianaran-diso sy ny devoly.

Fanontaniana :
Manao ahoana no toetra takian’ny Tompo amin’ny mpitarika eo amin’ny Fiangonana handresena ny fampianaran-diso ankehitriny ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV