Zoma 10 Aogositra 2018.

Mitsangana hanohitra ny herisetra

Asan’ny Apostoly 12:18‑23

Andriamanitra manafaka izay ampahoriana

1- Manafaka an’i Petera Andriamanitra.

I Heroda Agripa I no tena anaran’ity mpanjakan’ny Jiosy ity, izay namono sy nampahory vahoaka sy ny Apostoly Jakoba. Nikasa hamono an’i Petera ihany koa izy, fa ny Tompo nanafaka an’i Petera tao an-tranomaizina,ka hoy i Heroda « nankaiza i Petera » (and. 18). Novonoiny ihany koa ny mpiambina. Mivavaha mba hino ny Tompo ny mpanapaka.

2 – Manafaka ny jentilisa Andriamanitra

Misitraka ny fanafahana ataon’Andriamanitra ihany koa ny Jentilisa, ny Tyriana sy ny Sidoniana, tamin’izao fahafatesan’i Heroda izao. Manafaka izay ampahoriana ny Tompo, eny na dia izay mbola tsy mino azy aza.Tsy nampoizin’ny jentilisa izao fanafahana izao fa noho ny asan’ny Tompon’ny Tompo sy Mpanjakan’ny mpanjaka.

3-Mitsara ny mpitsara tsy marina Andriamanitra.

Nampahory fatratra ny mpiara-belona i Heroda, na ny vahoaka, na ny mpino. Nanandra-tena ho andriamanilra izy, teo anatrehan’ny vahoaka sy ny faritra nofeheziny ary ny vahoaka ihany koa niankohoka sy nanandratra azy ka nanao hoe : « feon ’Andriamanitra izany » (and. 23). Izay maka ny toeran’Andriamanitra dia manao herisetra mandrakariva, ka manampatra fahefana amin’ny vahoaka. Andriamanitra marina no mitsara ka dia nohanin’ny kankana imasom-bahoaka i Heroda ary maty. Matoky ny Tompo izay rehetra ampahoriana fa Izy no miady ho an’ny vahoakany sy ny mpanompony (Eks. 14:14 ; Deo 3:20).

Fanontaniana :

Mba mahita ny fanafahan’ny Tompo ve ny olona izay manodidina amintsika kristiana ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV