Alahadin’ny Aumônerie / FANASANA

             Ry havana ,

Ampitomboina ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Jesoa Kristy Tompontsika.

Fifaliana lehibe ho an’ny Aumônerie FJKM ny manasa  anareo  hiara-hiombom-bavaka aminay ao amin’ny  Chapelle Aumônerie HUJRA ny Alahady 12 Aogositra 2018 ho avy izao,  manomboka amin’ny 2 ora 30 tolakandro.Izany moa dia ho fisaorana an’Andriamanitra noho ny fanompoan’ny Aumônerie  sy ho fampaherezana  ny Sehatra asa rehetra  ary indrindra noho ny Alahadin’ny Aumônerie izay mifanindry amin’ny ivon’ny Jobily faha 50/200 any Toamasina.

Hery lehibe ho an’ny Mpisehatra rehetra eto anivon’ny Aumônerie FJKM ry Havana, ny fahatongavanareo . Koa dia misaotra mialoha izahay amin’ny fandaminam-potoana rehetra.

Ho voninahitr’Andriamanitra irery ihany!

                                                                                  Ny Mpandrindra Nasionaly

                                           RANDRIANAIVOARIVELO Rado Bera, Mpitandrina

Perikopa

Oktobra: Mandehana amin'ny rariny sy ny hitsiny ao amin'ny Tompo

| | 21. Alah.XX man Trinite-MAMRE
Jer 22.15/ Mar 25.31-46 / 1Tim 6.17-19

| | 28. Alah XXI mn. Trinite Samp Fifohazana sy Reformasiona
Deo 6.14-19/ Mat 12.38-40/ Asa8.14-24

Novambra: Mivonona hihaona amin'ny Tompo

| | 04. Alah.XXIII man.Trinite
Amo.4.6-13 / Lio 12.35-40 / Heb 11.13-16

| | 11. Alah.XXIVman.Trinite-Fitantanana Fananana(FIFA)
Mal 2.17-3.1-12 / Mat 3.1-12 / 1 Jao 2.24-29

FJKM Fahazavana

T

ANDRIAMASINORO Fidimalala, Mpitandrina ,
Komitin’ny faha-50T FJKM
Kianja D.Jones Toamasina / 19 08 18