Alahadin’ny KFTM 2018.

 

KOMITY FANORENANA NY TSANGAMBATON’NY MARITIORA

“Ianareo no vavolombeloko, hoy Jehovah, sady mpanompoko izay efa nofidiako…” (Isa.43/10a)

ALAHADIN’NY MARITIORA

Alahady 12 Aogositra 2018

MITSANGANA HANOHITRA NY HERISETRA

 

  • FEON-KIRA FIDIRANA
  • HIRA: fanevan’ny faha-50 taonan’ny FJKM sy faha 200 taona nidiran’ny LMS
  • FIARAHABANA APOSTOLIKA
  • FIDERANA SY FISAORANA NY TOMPO: Sal.15

HIRA 39 :1;2;4

VAVAKA FIDERANA

  • NY SITRAPON’ANDRIAMANITRA

Mpitarika: Mat 5:38-42

Rehetra: Sambatra ny mahitsy làlana…Sal 119:1

HIRA 242 :1

  • VAVAKA FIAIKEN-KELOKA SY FIFONANA

HIRA 407 : 2

FAMELAN-KELOKA ATOLOTRY NY TOMPO

Mpitarika: Isa 1:18 ;  I Jao 1:9

Rehetra: Sambatra ny olona…Sal 32:1-2

HIRA 824: 1; 3; 4

  • FANEKEM-PINOANA
  • VAOVAOM-PIANGONANA
  • RAKITRA

HIRA: Antoko Mpihira, 547 – 645

FANOLORANA RAKITRA: 512: 5

  • FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA

Hira: 787:1

  • FOTOANA HO AN’NY TANORA SY S.A

Hira: 213:2

Vavaka

Vakiteny: II Sam 3: 17-29 / Lio 20: 9-18/ Rom 12: 17-21

Hira: 190 : 1-2

  • TORITENY
  • VAVAKA FANGATAHANA+Rainay …
  • ASA VAVOLOMBELONA( raha misy)
  • FAMARANANA

 

HAFATRA K.F.T.M FOIBE

               Ry Havana, ho aminareo mandrakariva anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Jesoa Kristy Tompontsika.

               “Ianareo no vavolombeloko hoy Jehovah, sady mpanompoko izay efa nofidiko”Isa43:10a

Izany teny izany ry Havana no entina indray ho amintsika mpianakavin’ny finoana, ary hananterana hatrany ny fiarahabana antsika zanaky ny FJKM mbola ao anatin’ny fankalazana an’Andriamanitra ny amin’ny Taon-Jobily faha 50 taona.

Tantaram-piangonana tsy azo hodian-tsyhita izany, izay heverina hampahery antsika ny amin’izay vina ho tratrarina”HAMONTO FILAZANTSARA an’I MADAGASIKARA”.

Miharihary eo imasontsika ny zava-maro hotoherina toy izay nosedrain’ireo martiora talohantsika. Koa mampahery antsika hatoky hatrany an’Andriamanitra satria

“MANDRESY FIJALIANA NY VAVOLOMBELON’NY TOMPO”.

Ny Komity Fanorenana ny Tsangambaton’ny Martiora (KFTM) Foibe dia misaotra an’Andriamanitra amin’ny fiaraha-miasa misy eo amintsika fiangonana sy fitandremana izay anterinay ny fisaorana antsika manohana am-bavaka sy ara- pitaovana indrindra ny fandrotsahana ny rakitra isaky ny Alahadin’ny Martiora.

Mba hahafahantsika mifampitantana ny amin’izany Asa vavolombelona izany dia indro tsiahivinay hatrany ny asa sy antom-pisian’ny KFT:

  • Manao izay ahafantaran’ny kristiana ny mahasarobidin’ny finoana an’Andriamanitra, mifototra amin’ny Baiboly izay naharesy lahatra ireo Maritiora ka irina mba hiainantsika.
  • Miezaka koa ny Komity hampahafantatra ny tantaran’ireo Maritiora amin’ny fiaraha-miasa amin’ny Fiangonana voakasika izany.
  • Ny tsangambato manokana hotratrarina dia ny famitana ny “Kianja fanatanjahantena misy ny taranja rehetra (polyvalent) eny amin’ny Kolejy Teolojika Ivato.
  • Tianay koa ny mampahafantatra antsika fa misy ny fandaharana atolotry ny KFTM ao amin’ny Radio FAHAZAVANA isaky ny Talata alina amin’ny 8ora sy sasany ary miverina ny Sabotsy maraina amin’ny 2 ora.

Manantena izahay ry Havana, fa fanoitra sy hery ho antsika avokoa izany asan’Andriamanitra mifanindran-dàlana izany, satria tsy natao ho tsangambaton’ny Martiora efa lasa ihany izany, fa tsangambaton’ny FANDRESENTSIKA MARTIORA VELONA ankehitriny.

Araka izany, dia miantso antsika mba handrotsaka ny rakitra sy izay fanomezana ho an’ny KFTM izay aterina ao amin’ny varavarana 503,Foibe F.J.K.M, rihana faha-5. Raha toa ka misy ny fanontaniana ilam-baliny mikasika ny asan’ny K.F.T.M dia azontsika atao tsara ny manantona aty amin’ny Foibe FJKM

Eto am-pamaranana ry Havana dia mirary ny   mba hirotsaka amintsika hatrany ka hahefa be amin’ny fanompoana ny Tompontsika.

Dia manao veloma anareo amin’ny Anaran’nyTompo.

Amin’ny anaran’ny KFTM Foibe FJKM

Varavarana: 503, rihana faha -5 Tél: 033 11 262 85

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV