Alahadin’ny AUMÖNERIE FOIBE 2018.

Fandaharana iombonana 

Alahadin’ny AUMONERIE FOIBE

 19 Aogositra 2018.

Hira faneva 50 TAONA 

1-Fiarahabana Apostolika :Efesiana 1.2

2-Fisaorana sy  fiderana an’ Andriamanitra :

Salamo 111.1-10

Hira 39.1,2,5  ( Faingana ry  Mpanjaka)

Vavaka fisaorana

3-Sitrapon ‘ Andriamanitra  : 1 Tes 5.12-15

« Sambatra ny  mahitsy  làlana… »

Hira: 383 and2 ( o ry  mpanota)

4-Fiakenkeloka (vavaka)

Hira : FF 35 (Ry Mpamonjiko , Ray  malalako)

5-Famelankeloka: Jer 31.2-4

« Sambatra ny olona izay voavela ny helony sy voasarona ny fahotany … »

Hira FF 42 : 3,4

6-Fanekempinoana (Lah 3)

7-Raharahampiangonana 

8-Fanatitra 

Hira : Antoko mpihira , FF 47

Fanolorana ny rakitra : Hira 275.1,2

9-Fankalazana ny Tenin’ Andriamanitra 

Dimy minitra an’ny ankizy sy tanora

Hiran’ny sekoly Alahady

Hira  213.1,2 ( Ry fanahy  mangetaheta )

vavaka vakiteny

Vakiteny :

  • Mpitsara 19.22-30
  • Matio 5.38-42
  • Efesiana 4.25-52

Hira : »Tompo ô mba te-hihaona… »

10-TORITENY

Hira  (chorale)

Vavaka fangatahana +Rainay izay any an-danitra…

11-Asa vavolombelona 

Hira FF 48 ( Andriamanitra fitiavana ianao )

12-Hafatra sy tsodrano :Romana 15.5-7

vavaka mangina

Trinite masina

…………………………………………………………………………………………………………………………

HAFATRA 

Ry havana,

Ampitomboina ho aminareo hatrany ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Jesoa Kristy Tompontsika.

Isaorantsika Andriamanitra noho izao Alahady izao izay ahafahan’ny Fiangonana mitrotro am-bavaka sy manohana ny Asan’ny Aumônerie FJKM. Mitohy hatrany ny ezaka ataon’ ny Fandrindrana Nasionaly sy ireo Tale Nasionaly isaka ny sehatra asa mandeha mitety Synodamparitany hanentanana ny fiangonana sy ny fitandremana ary ny Synodamparitany hanaovan’izy ireo izany asa izany. Hamafisina ny antso ny amin’ny tokony hisian’ny Aumônier isaky ny Synodamparitany handrindra ny fantanterahan’ny Fiangonana ny asa, toy ny fitsidihana ny voafonja, na famangiana ireo marary any amin’ny Hopitaly ohatra. Tsarovy, fa ny Fitandremana sy ny Fiangonana ary ireo sampana velona ao aminy koa dia tokony hametraka ao anatin’ny vinan’asany ao anatin’ny taona amin’ny fanaovana ny asan’ny Aumônerie ka hitondrany tatitra eo amin’ny rafitra mpiahy azy.

Raisinay ho adidy no mampahatsiahy ny fiangonana fa ity asa ity dia asan’ny fiangonana fa tsy hoe an’ ireo olona izay manan-katolotra ihany akory. Iza indray moa no hijery ireo marary, voafonja, kamboty, ireo lavitra ny fiangonana, ny fadiranovana sy ireo tra-pahavoazana raha tsy ny fiangonana ihany?

Manentana antsika ry Havana hifanome tànana mba hitsinjovana ny mila vonjy sy hanao fitaizam-panahy amin’ireny, hananany antoka ny famonjena sy ny fanafahana ao amin’I Jesoa Kristy indrindra amin’izao taon-jobilin’ny fiangonana izao.

Niavaka iny taona 2017 iny noho ny faha- folo (10) taonan’ ny fandrindrana Nasionaly ny Asan’ny Aumônerie FJKM. Tontosa avokoa ny fandaharam-potoana nanomezam-boninahitra an’Andriamanitra tamin’izany:

  • Zoma, 01 Septambra 2017: Fanokafana ny Faha-folo taona sy fitokanana Chapelle FJKM tao amin’ny Fonja Antanimora Quartier Mineur.
  • 09, 10, 11 Novambra 2017: Ivon’ny faha-folo taona Fihaonambe ny Aumonerie FJKM, izay ho notanterahana tany Mahajanga.
  • 20-24 Febroary 2018: Famaranana ny faha-folo taona sy varavaravana misokatra.

Fanamby lehibe no iaraha-manatratra amin’ny ho avy dia ny fampidiran’ny Fiangonana tsirairay ao anaty tetika asa sy tetibolany ny asan’ny Aumônerie. Ho fanazarana antsika amin’izany indrindra no nananganana niaraka tamin’ny Jacob Project ny Tetik’asa A-Z, ary ity Alahady ity no nanentanana antsika hisantarana izany. Kristiana iray mitondra akanjo iray sy zavatra iray atolotra am-pifaliana hiahiana ny asan’ny Aumônerie aty amin’ny foibe sy ny SP ary ny Fitandremana.

 Eto am-pamaranana dia isaorana manokana ireo fiangonana izay  nanatanteraka Rakitra sy ireo olon-tsotra  namerina ny  valopy faha-10 taona tamin’iny  taona 2017 iny. Izany dia hita amin’ny tatitra etsy ankilany sy ao ambadika.

Maneho fankasitrahana mialoha anareo, ry havana izahay noho izao fotoan-dehibe izao. Azo atao ny manatitra mivantana ny Rakitra sy ny valopy fanohanana aty amin’ny foibe FJKM varavarana 202, na mandrotsaka izany any amin’ny Banky araka ny laharan’ny kaonty voasoratra ao ambadika.

Ho voninahitr’Andriamanitra irery ihany.

Ny Filohan’ny Komity Foiben’ny Asan’ny Aumônerie :

RALAMBOMAHAY Hendrininosy, Mpitandrina

Ny Mpandrindra Nasionaly :

RANDRIANAIVOARIVELO Rado Bera, Mpitandrina

 

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV