SP 10 / FJKM Ambohimamory Malala Orimbato
Miatrika tanteraka ny FAHA 150 TAONANY
Tanteraka ny Alahady 15 jolay 2018 lasa teo ny ezaka ho fiatrehana ny fiadiana ny fototra ao amin’ny lafiny andrefan’ny Fiangonana. Niara-nientana nandray anjara tamin’izany asan’Andriamanitra izany ny mpianakavin’ny finoana sy ireo izay rehetra malala-tanana. Tsiahivina hatrany fa ny fanitarana ny fiangonana, izay tsangambato amin’izao faha 150 taona izao, no asa nomen’ny Tompo ho tanterahana.
Mitohy hatrany koa anefa ireo hetsika isam-bolana, ka anjaran’ny “ TANORA faha 150 taona” ny Alahady 29 jolay ho avy izao. Hisy ny fijoroana vavolombelona noho ny nahatrarana izao faha 150 taona izao amin’ny alalan’ny raki-pahasoavana. Tsy hadino ihany koa ny Takarivan’ny faha 150 Taona tamin’io alahady io.
Eto am-pamaranana dia indro hindramina ny tenin’Atoa RAZANADEVA Arthur Mpitandrina ny faha 14 Jolay 1969, ao amin’ny “Teny fanolorana” ny boky mirakitra ny tantaran’ny Fiangonana:
“Ny fiezahan’ireo mpiasan’Andriamaitra nifandimby nomban’ny fampaherezan’ny Fanahy Masina dia nampandroso hatrany ny asan’ny Fiangonana….Todiho ny lasa ry Taranak’Ambohimamory ô ! Banjino ny ho avy ka tano mafy izay anananao. Mandrosoa ho amin’ny fahamendrehana hatrany, manàna fahamarinana, arovy ny tenanao tsy hisy pentipentina ary miezaha mandrakariva hampandroso ny Fanjakan’i Kristy. Onero ny banga, havaozy ny fiainana rehetra ary aza avela hisy hanao tsinontsinona anao.”
Ramatoa RAHARINJATO Herisoa
Filohan’ny Sampana Sekoly Alahady
Komitin’ny faha 150 taona