SETELA FJKM / 25 Taona

MANOMANA NY IVON’NY

FANKALAZANA NY FAHA-25 TAONANY

Mankalaza ny faha 25 taona niorenany ny Sehatra Teolojika ho an’ny Laika amin’ity taona ity. Ny teny faneva entina anamarihana izany dia nalaina tao amin’ny Asa 22:21 sy Lio 1:17b manao hoe: « Mandehana fa Izaho haniraka anao handeha lavitra… hamboatra firenena voaomana ho an’ny Tompo ».

Notanterahina tao amin’ny FJKM Andrainarivo Fahasoavana ny fanokafana izany taom-pankalazana izany ny 04 Febroary lasa teo, ary mbola hotohizana hatrany ny fankalazana ny taon-Jobily. Ho tanterahana ny Alahady, 05 Aogositra 2018 ho avy izao izay hatao ao amin’ny F.J.K.M. Isotry Fitiavana amin’ny 3 ora tolakandro ny fanompoam-pivavahana ivon’ny fankalazana ny faha-25 taona.

Asaina indrindra araka izany ireo izay rehetra nandalo tao amin’izany Sehatra Teolojika ho an’ny Laika izany sy ireo mpianakavin’ny finoana.

 Anisan’ny tanjona ao anatin’ity taom-pakalazana ity ny hahamaro isa ireo mpianatra amin’izany seha-piofanana izany ka anentanana ireo izay rehatra maniry ny hiditra ao. Eo indrindra ihany koa ny fanatanterahana ny vina ny F.J.K.M. hoe Vontosy Filazantsara ny nosy Madagasikara. Mandray ny rehetra ampitiavana ny tompon’andraikitra  ao amin’ny « Fakiolite Teolojika Ambatonakanga ». Izay liana dia afaka manatona eny an-toerana.

Minosoa Rahajarivony

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV