SAMPATI / Andro niorenana

Aoka hirehitra ny jironareo » Lio.12, 35

Hotsarovantsika SAMPATI FJKM isan-taona ny ANDRO NIORENANA, koa amin’ity taona 2018 ity dia any Toamasina isika no hankalazana an’Andriamanitra ny ALAKAMISY 16 AOGOSITRA 2018, ao amin’ny FJKM BETLEHEMA Toamasina, fanompoam-pivavahana amin’ny 3ora tolakandro.

Koa antsoina ary entanina isika SAMPATI rehetra ho tonga any Toamasina amin’io andro io, ary ny ampitso isika dia miatrika avy ny IVON’ny faha 50 taonan’ny FJKM. Fotoan-dehibe roa sosona noho izany no hatrehintsika SAMPATI FJKM any Toamasina. Koa manantena ny fahatongavantsika maro.

Amin’ny anaran’ny Birao Foibe SAMPATI

Ny Tonia

                 RANDRIAMANANTENA SOLO Jean Jacques Séraphin Jhons, Mpitandrina

 

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV