Hafatry ny Filoha / Aogositra 2018.

Vontosy filazantsara ny Nosy Madagasikara !

 

Mba tsy hiala avy etsy Ankatso ,

  Dia ho etsy Ambohidempona,

      Ity firenena kanto ity.

       Kanto nefa, dia izao:

       Iaraha-mahita ny manjo

       Satria sendra politikan’

       Olon-jamba sy marenina.

       Tena jamba tsy mahita

     Ny vahoaka izay mahantra,

       Fadiranovana tokoa,

     Efa mihohoka amin’ny tany.

        Tena jamba tsy mahita

        Afa-tsy ny vola ihany,

       Tombontsoa ho an’ny tena,

       Higalabonana, andihizana

        Ao anatin’ny mozikan’

     Ny toreon’ny maro ana isa!

       Ary dia marenim-belona,

       Tsy mandre intsonintsony

    Ny antsoantsom-pahamarinana,

      Ny kiakiakam-pahamasinana,

       Izay tena fantany tanteraka,

         Nefa dia odin-tsy re.

      Dia jamba sy marenina eo,

         Ka aongana, dia miala,

           Hiakaran’olo-jamba

        Sy marenina hafa indray,

       Satria tsy mino an’i Jesoa!

      VONTOSY FILAZANTSARA

      NY NOSY MADAGASIKARA!

                 IRAKO Andriamahazosoa  AMMI, Mpitandrina Filohan’ny FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV