Hafatry ny Filoha / Aogositra 2018.
Vontosy filazantsara ny Nosy Madagasikara !
Mba tsy hiala avy etsy Ankatso ,
Dia ho etsy Ambohidempona,
Ity firenena kanto ity.
Kanto nefa, dia izao:
Iaraha-mahita ny manjo
Satria sendra politikan’
Olon-jamba sy marenina.
Tena jamba tsy mahita
Ny vahoaka izay mahantra,
Fadiranovana tokoa,
Efa mihohoka amin’ny tany.
Tena jamba tsy mahita
Afa-tsy ny vola ihany,
Tombontsoa ho an’ny tena,
Higalabonana, andihizana
Ao anatin’ny mozikan’
Ny toreon’ny maro ana isa!
Ary dia marenim-belona,
Tsy mandre intsonintsony
Ny antsoantsom-pahamarinana,
Ny kiakiakam-pahamasinana,
Izay tena fantany tanteraka,
Nefa dia odin-tsy re.
Dia jamba sy marenina eo,
Ka aongana, dia miala,
Hiakaran’olo-jamba
Sy marenina hafa indray,
Satria tsy mino an’i Jesoa!
VONTOSY FILAZANTSARA
NY NOSY MADAGASIKARA!
IRAKO Andriamahazosoa AMMI, Mpitandrina Filohan’ny FJKM