FJKM 50T / Toamasina 2018.

KOMITY JOBILY FAHA 50 TAONAN’NY FJKM SY

FAHA 200 TAONA NIDIRAN’NY MISIONA LMS

« Koa aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika » (2 Timoty 1 : 8a)

NDAO HO ANY TOAMASINA ISIKA!

Manasa antsika kristianina zanaky ny FJKM rehetra ho any Toamasina, hiara-mankalaza AN’ANDRIAMANITRA AMIN’NY IVON’NY JOBILY FAHA 50 TAONAN’NY FJKM (1818-2018) SY NY FAHA 200 TAONA NAHATONGAVAN’NY MISIONA LMS (1818-2018) TETO MADAGASIKARA

Toy izao no dinidinika momba izany:

1-Entanina ny Prezida Synodaly, ny Mpitandrina sy ireo Birao mpiara-miasa aminy avy, mba samy hanentana ny Kristianina ao aminy hamonjy izany ivon’ny Jobilin’ny FJKM sy ny LMS  izany, araka izay azo hatao.

2-Ny fotoam-pankalazana dia ALAHADY 12 AOGOSITRA hatramin’ny ALAHADY 19 AOGOSITRA 2018 ho avy izao: Filaharambe, vela-kevitra, fanentanana samihafa, fiaraha-misakafo, ranti-tsary, fitsangatsanganana, fanatanjahan-tena, ary Fanompoam-pivavahana, no hanamarihana izany fotoan-dehibe izany.

3-Ny fivantanana sy ny fatoriana any Toamasina dia efa nomanin’ny Komity any an-toerana ; ho an’ireo Fiangonana Sampana sy Fikambanana maniry horaisin’ny Synodamparitany dia miantso mivantana ireto laharana ireto: 034 14 088 44 (PS) – 034 20 883 11 (KM SP)- 034 45 828 67 (KM SP)

4-Misy fiara  iombonana karakarain’ny Komitin’nyJobily: Ny fisoratana anarana dia atao mivantana ao amin’ny Biraon’ny ARORIAKA Foibe FJKM- Analakely. Ny saran-dàlana dia Ar.55 000 (Dimy Arivo sy Dimy Alina Ariary). Mandroso sy Miverina Toamasina – Antananarivo, Mandroso sy miverina Antetezapasika – Toamasina (Miandry antsika any ny fiara  rehetra). Ambonin’io ny fiantohana (Assurance)

5-Ny fisoratana anarana momba ny fivahinianana any Toamasina (antsoina mivantana) sy ny fiara Iombonana (Aroriaka FJKM) dia hifarana ny 03 Aogositra 2018 ho avy izao.

6-Hisy ny sakafon-jobily ho antsika rehetra tonga any Toamasina, ny Sabotsy 18 Aogositra koa iangaviana mba hivonona amin’ny fitaovam-pihinana isika rehetra.

7-Tsarovy ny fandraisan’anjarantsika amin’ny fanorenana ny tsangambato fa tena ao anatin’ny “finition” isika izao; samy hanefa izay inian’ny fony sy ny fitiavany ny tsirairay ary raisina am-pifaliana izay hatolontsikaho amin’izany.

8-Hisy ireo kojakoja fahatsiarovana ho enti-mijoro vavolombelon’ny Tompo ao anatin’izao fankalazana izao, koa entanina ny rehetra hivonona sy handray anjara amin’ny fividianana izany (boky tantara, ny programa samihafa, ticket sakafon-jobily (Ar.1000), tee-shirt, autocollant, casquette… sns).

9-Ento am-bavaka izao asan’Andriamanitra izao sy ny Komity ary ny FJKM.

Raha  mila fanazavana fanampiny dia afaka manatona mivantana ny Biraon’ny ARORIAKA, ao Ifanomezantsoa Analakely – Foibe FJKM na hiantso ny laharana:

Pasteur RANDRIAMISATA Roger : 033 09 101 91  –Tomponandraikitry ny serasera

Pasteur ANDRIAMASINORO Fidimalala : 033 12 395 77- Sekreteran’ny Komity

Pasteur RABEHATONINA James : 033 12 352 36 – Filoha Mpanampy Komity

 

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV