Fanazavana perikopa Jolay 2018.

Sahia mitory ny fahamarinana

Ny Perikopan’ny Testamenta Vaovao izay voarakitra ho amin’ity volana Jolay ity no horaisintsika mba hamoahana ny lohahevitra hoe: Sahia mitory ny Fahamarinana, araka izao fafana tsotra izao:

Perikopa Endriky ny fahamarinana toriana
Lioka 6, 41- 42

Ny fahamarinana dia mitaona ny olona handini-tena ka hanitsy ny tsy fahatanterahany, mialoha ny hanitsiany ny hafa.

Asan’ny Apostoly

5, 1- 11

Ny fahamarinana dia fiombonana amin’ny olona izay mampiseho ny fiombonana amin’Andriamanitra. Amin’izany, izay atao amin’ny olona dia mitovy amin’izay atao amin’Andriamanitra. Izay mandainga amin’ny olona dia mandainga amin’Andriamanitra.

Matio 19, 30- 20, 1- 16

Ny fahamarinana dia miseho amin’ireto endrika roa ireto:

-Marina amin’izay nekena fa homena ny hafa.

-Marina amin’izay nekena fa horaisina avy amin’ny hafa.

Ny fahamarinana dia ny fanehoana fa mitovy ny valim-pitian’ny olona rehetra manompo. Ny Fanjakan’ny Lanitra ho an’izay manompo an’Andriamanitra.

Jakoba 5, 1-6 Ny fahamarinana no miampanga ny olona. Ny Mpiasa dia mendrika handray ny karamany, kanefa ho an’izay tsy manefa izany dia ilay karama mihitsy no tonga miampanga azy. Ny tsy rariny ataon’ny olona no miampanga ny tsy fahamarinany.
Marka 11, 15- 18 -Mitovy ny olona manao ny tsy marina sy ny mpisitraka ny ataon’ny tsy marina (samy noroahin’i Jesoa na ny Mpivarotra na ny Mpividy, and. 15)

-Ny fahamarinana dia ny fanarahana izay voasoratra ao amin’ny Soratra Masina.

1 Petera 3, 14- 17

Ny fahamarinana dia tsy fivadihana amin’Andriamanitra na inona na inona niseho ka manefy ny olona hanana fanantenana izany.

 

Ho an’Andriamanitra irery ihany anie ny voninahitra.

RAKOTOZANANY Andrianirinomena Jules, Mpitandrina

 

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV