Alahadin’ny SFL / Fanasana
Fanompoampivavahana
Ny Biraon’ny SFL sy ny Tonia dia faly manasa antsika rehetra hiara-hiombom-bavaka, hidera sy hankalaza an’Andriamanitra noho ny Alahadin’ny Sampana Fivondronana Laika, izay hatao ny
ALAHADY 15 Jolay 2018 amin’ny
2 ora sy sasany tolakandro
ao amin’ny FJKM SOANIERANA – SPAA 11
Aoka samy iomana isika fa rakitra roa no hatao, ho fampandehanan-draharaha eto amin’ny SFL sy hanohanantsika ny ezaka Tsangambato faha-40 taonan’ny SFL, fanorenana trano Fiangonana ao Befasy. Amin’io fotoana io ihany koa no hanolorana amintsika ny Tonia vaovao.
Manantena ny fahatongavantsika maro ho fiaraha-mientana, ary hanao ho zava-dehibe io fotoana io ho Voninahitr’Andriamanitra.
Manao veloma antsika amin’ny anaran’ny Tompo Jesoa.
“Raha fatra-paniry ny zava-panahy dia izay hampandroso ny fiangonana no tadiavo indrindra” 1Kor 14.12
Ny Filoha SFL
RADAVIDSON ANDRIAMPARANY Benjamin
Ny Tonian’ny SFL
RAMANANA Fiainantsoa