Tantaran’ny FJKM STRASBOURG

 FJKM STRASBOURG

Tamin’ny taona 2007 Raha vao fantatra fa tsy maintsy handeha aty Strasbourg , ny tena nahafaly sy nampitsiky ary nahamirana ny endrika dia ny hoe : Hanao ny asan’ny Tompo fa tena mila izany aty ; ary tamin’izany no efa nisy ny hetaheta fa tokony hiisy FJKM aty Strasbourg .

Tonga teto àry ny volana Oktobra 2007 avy hatrany dia vatobe makadiry no teo anoloana ary avy hatrany koa dia nampanginina izany faniriana sy hetaheta izany . Niezaka nanao ny asan’ny Tompo araka izay tandrify anefa na dia izany .

Nandroso teny ny andro sy ny fotoana ary tao anatin’izany no nahatsapana fa tsy olona iray akory no maniry ny hisian’ny FJKM eto Strasbourg . Ary dia nentina am-bavaka izany ; nanontaniana ny hevitry ny Tompo ; ary tena nametraka tamin’ny Tompo mihintsy fa raha misy fianakaviana 5 tena vonona hanomboka dia hatomboka izany .

Tamin’ny Février 2010 àry dia nanatrika ny fandraisantanana ny Mpitandrina RAKOTONIRINA Charles tao Montrouge Vaovao izahay . Eh ! tahakan’ny nahatsiaro sambatra ny tena niara-nanatanteraka ny litorjia FJKM iray manontolo. Tahaka ny hoe olona nandeha lavitra niala ny trano ka tafaverina soa aman-tsara . Nody teto Strasbourg ary dia nitantara tamin’ireo namana hoe: Tena FJKM izany e! Izany ka hoe ao an-tranon’ny Rain’ny tena . Dia mba nanipinipy teny tamin’ny Mpitandrina teny hoe mba maniry izahay mba hiisy FJKM any Strasbourg.

Tao anatin’izany koa dia tsy nitsahatra ny hery avy ety ivelany niteny hoe : Ndao atsangana , ndao atsangana , Août 2011 izany ( Atoa ANDRIANASOLO Lanto mivady ) . Niantso àry ny Mpitandrina indray andro ary nanontany hoe : Ahoana raha hanangana FJKM any isika manomboka Janvier 2012? Dia namaly moramora aho niteny hoe : Pasteur o ! tara be izany fa amin’ny 28 Août 2011 zahay
( sendra teo indrindra Ramatoa RALIVOLONIRINA Lovasoa ) vonona handray anareo mivady raha afaka ianareo . Ny nahavariana ry Havana dia avy hatrany dia nety tamin’ny fandaharampotoanan’ny Fiangonana Montrouge Vaovao izany . Dia raikitra àry fa ho tonga izy mivady ary tao an-tokantranon’ny Mpandrindra ankehitriny no nanaovana ny fanompoampivavahana voalohany (65 route de Schirmeck) .

Ireto avy izahay tamin’izany :

Ny fianakaviana ANDRIAMANANTENA Georges mivady
Ny Fianakaviana RALIVOLOLONIRINA Lovasoa
Ny Fianakaviana ANDRIANASOLO Lanto
Ny Fianakaviana RAMELOARISON Soloarison

Aiza ny fandiminy ? – Tsy tratra antso izy ireo fa dia ny Fianakaviana RAMANANANDRO Hery.

Tonga àry ny andro nifanekena ; tonga avokoa izahay izay nifanome fotoana . Natao ny fanompoampivavahana ary dia nanazava ny Mpitandrina .

Teo dia raikitra indray fa any an-tokantranon’ Atoa Georges ANDRIAMANANTENA mivady no hatao ny fotoana manaraka tapa-bolana aoriana . Notanterahina ny Fanompoam-pivavahana ary niroso tamin’ny fifidianana izay ho Biraon’ny Fiaraha-mivavaka . Teo izahay no nanomboka nanao fanatitra voalohany.

Tapa-bolana taty aoriana dia nokasaina hatao tany an-tokantranon’ Atoa ANDRIANASOLO Lanto ny fotoana saingy noho ny antony manokana tsy azo anoharana dia tsy maintsy naverina tany an-tokantranon’ny Mpandrindra indray.

Nisy fianakaviana ( Rtoa RAZANANY Claudine mianaka ) sendra nanatrika tamin’izany ary naniry izy mba hatao any an-tokantranony ny fiaraha-mivavaka manaraka ka dia notanterahina izany.

Nitombo an-dalana teny izahay ary teo dia tapa-kevitra fa hitady Trano Fiangonana . Ary dia nisy tovolahy kely nampiasain’ny Tompo nahitana ny Trano Fiangonana ary mbola nanolo-tena mangingina hanefa ny hofan’ny Fiangonana mandritra ny folo volana voalohany.

Tamin’ny 27 Oktobra 2011 izahay no niara-nivavaka voalohany tao amin’ny 6 A Place d’Austélitz tamin’ny 3 ora hariva rehefa nanaiky nandray tamim-pitiavana ny Ny Fiangonana Luthérien Evangelique izay tarihin’ny Pasteur Schaeffer Jean Louis.

Mbola tena zava-nahagaga anay izany satria tsy nitaky n’ino n’inona taminay mihintsy izy raha nanome ny trano . Misaotra azy ireo manokana izahay noho ny fitokisana napetrany taminay . Ary dia tena Midera sy manome voninahitra an’ Andriamanitra koa noho ny asany izay nampiseho taminay fa AZY ny Fiangonana ary neken’ny Tompo ny hijoroany.

Nampandray anay ny Fanasan’ny Tompo voalohany ny Mpitandrina sy Diakona iray ( Andriamatoa Richard RANDRIANARISOA )avy ao amin’ny FJKM Montrouge Vaovao ny Alahady 27 Novembra 2011 ary dia tena fifaliana ho anay izany .Tapaka mantsy fa ny FJKM Montrouge Vaovao no hiahy ny Fiaraha-mivavaka Strasbourg Famonjena mandritra ny Herintaona ary natrehin’ny Filohan’ny FJKM Atoa Lala Haja RASENDRAHASINA nandritra ny komity lehibe SP VFA2011 izany fanapahankevitra izany.

Ny Février 2012 dia tonga nampahery anay sy nizara ny traikefany ny sampana Dorkasy miaraka amin’ny Mpitandrina mivady . Ny Jolay 2012 dia tonga ny sampana Tanora Kristiana sy ny Sekoly Alahady nifampizara traikefa taminay . Ary dia nofaranann’ny Sampana Lehilahy Kristiana izany ny Oktobra 2012 . Tao anatin’ireny dia nanolotra mari-pahatsiarovana ho an’ny Fiangonana ireo sampan ireo : Plateau , vera , kalisy , fanaovambatisa , boky volamena sy ny bokim-piangonana . Tena isaoranay ny Tompo ireny ary isaoranay manokana ny Mpitandrina mivady sy ny Fiangonana izay nanaiky ny fitarihan’ireo ray aman-dreny ireo fa tsy mba ho isan’izay mpaniratsira . Hotahian’ny Tompo anie ianareo mivady sy ny taranakareo mifandimby ary ho Ela velona ny FJKM Montrouge Vaovao ka hanakoako eran’izao tontolo izao anie ny lazan’ny Finoanareo ary tsy handraraka ilo mby andoha anie ianareo hotarafinay zandry mijery sy manaraka anareo avy ato aoriana.

Eto am-pamaranana ry Havana dia tianay mizara amintsika rehetra fa tahaka ny tantaran’ny Fivavahana Kristiana na taiza na taiza dia nandalo sedra hatrany am-piandohana ny FJKM Strasbourg Famonjena . Nampilatsa-dranomaso izy ireny, nahaketraketraka ny kely Finoana , kanefa nahitana sy nahatsapana ny tanan’ Andriamanitra izay Tompon’ny Fiangonana ka miantoka ny Fiangonana hatramin’ny farany ary tonga amin’izao fitokanana izao isika mianakavy . Ary izany fitokanana izany dia tarihin’ Atoa ANDRIANTSIZAFY georges mivady.

Mbola izany tànan’ Andriamanitra mihazona sy miahy izany no antenaina sy itokiana amin’ny fo sy saina Fanahy Hery manontolo ; fa hiantoka ny FJKM Strasbourg Famonjena mandra-piavin’ny Tompo ka hitsenan’ izay tia Azy eny amin’ny rahon’ny Lanitra.

“Isaorana anie Andriamanitra izay mitondra anay mandrakariva ao amin’I Kristy toy ny fanaon’izay avy nandresy , ka dia ampisehoany ny hanitry ny fahalalana Azy eny tontolo eny izahay” 2 kor 2: 14

Ho an’ Andriamanitra irery ihany anie ny Dera ny Laza ary ny voninahitra mandrakizay mandrakizay .Amen!

Rtoa Hanitra RAMELOARISON

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV