FJKM Ziona vaovao Paris (ex-Montrouge vaovao)

 

FJKM Ziona Vaovao Paris

Ny FJKM Ziona Vaovao Paris (ex-Montrouge Vaovao) dia faly miarahaba anao mitsidika ity tranokala fijoroana ho vavolombelon’i Jesoa Kristy ity ary mirary ny fitahian’ny Tompo aminao sy ny ankohonanao.

Ny fanompoam-pivavahana eto amin’ny FJKM Ziona Vaovao Paris dia isaky ny Alahady amin’ny 17h15, ary mahafaly indrindra ny manasa sy ny mandray anao hiara-hiombom-piderana sy hanome voninahitra an’Andriamanitra noho ny Fitiavany tsy mety levona. Misy ny Fandraisana ny Fanasan’ny Tompo rehefa Alahady voalohany sy fahatelon’ny volana.

Marihana fa ny Mpitandrina RAKOTONIRINA Charles mivady no mitondra izany Fitandremana FJKM Ziona vaovao Paris izany .Mahatsiaro azy rehetra  am-bavaka isika , satria na dia maro aza isika dia tena iray ihany ao amin’ny Tompo .

Ny toerana dia ao amin’ny :
Eglise Luthérienne de la Trinité
172 boulevard Vincent Auriol
75013 Paris
Métro : Place d’Italie

Araka ny fandaminan’ny tompon-trano, isaky ny Alahady faharoa amin’ny volana dia mivavaka maraina isika, ka miditra amin’ny 10h30, ny toerana dia ao amin’ny
Eglise Luthérienne Saint Marcel
24 rue Pierre Nicole
75005 Paris

Manonona ny fiadanan’ny Tompo aminao. Ho an’ Andriamanitra irery ny Voninahitra .

FJKM  Ziona vaovao Paris


Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV