Alahadin’ny SFL 2018.

FANDAHARANA IOMBONANA

15 Jolay 2018

 

Fiarahabana Apostolika

Hira faneva faha 50 taonan’ny FJKM

Fiderana an’ Andriamanitra

Salamo 118,19-21

Hira FFPM 2 Misaora an’I Zanahary

Vavaka Fiderana sy Fanatonana an’ Andriamanitra

Fankalazana ny Tenin’ Andriamanitra

Fotoana ho an’ ny Ankizy sy ny Tanora

Hira 4521 : Tompo ô ovay ny foko

Hira 668 : Jesosy Tompoko no lalana

Vavaka

Vakiteny : Eze.34,1-10 ; Lio.6,41-42 ; Asa.5,1-11

Hira 2001.2  : Rainay ô masina 

TORITENY

Feon-javamaneno

Vavaka Fifonana sy Fiaikena hiova

Hira 224 : Tafavory izahay

Famelan-keloka: Romana 5,17-18

Hira 5991 : O ry Jesosy mifaly ny foko

Fanambaram-pinoana

Feon-javamaneno

Asan’ny Fiangonana

Hira Faneva SFL

Hafatra avy amin’ ny SFL Foibe

Raharaham-piangonana

RAKITRA ( Hira Sampana na hafa)

Hiram-bavaka Fanolorana ny Rakitra

ASA VAVOLOMBELONA

Vavaka fisaorana sy fangatahana +

Rainay izay any an-danitra

FAMARANANA

Hira  FF 191 : Raha Jehovah no Mpiandry

Tsodrano

TRINITE

……………………………………………………………………………………………………………………………

HAFATRA

ALAHADIN’NY SFL

15 JOLAY 2018

Ry Havana,

Ny Birao sy ny Tonian’ny Sampana Fivondronana Laika (SFL) dia manonona ny Fiadanan’I Jesoa Kristy Tompo ho an’ny Vahoakan’Andriamanitra rehetra ato anivon’ny Fiangonan’I Jesoa Kristy eto Madagasikara ary mamangy sy miarahaba ny Vondromparitany Laika (VPL) sy ny Vondrona Fototra Laika (VFL) isam-pitandremana mahatratra indray izao Alahadin’ny  SFL taona 2018 izao.

Miavaka ity taona 2018 ity ho antsika Laika FJKM, satria ankatoky ny faha 40 taonan’ny Sampana ary iombonantsika amin’ny FJKM iray manontolo koa noho ny taon-Jobily faha 50 taonan’ny Fiangonantsika sy ny faha 200 taona nidiran’ny misiona LMS teto Madagasikara.

Vanim-potoana tsy azo lalovam-potsiny ireo satria manamarika sy manaporofo indray fa mihazona ny Fiangonany sy ny Vahoakany ny Tompo ka mbola manome antsika taom-pifaliana hahazoana manohy ny Asany sy hijoroantsika ho Vavolombelon’ny Tompo Jesoa amin’ny sehatra rehetra.

Ho antsika SFL manokana dia mibanjina hatrany sy manatanteraka ireo Tenin’ny Soratra Masina izay iombonana amin’ny FJKM manao hoe “KOA AZA MENATRA NY HO VAVOLOMBELON’NY TOMPONTSIKA “II Tim. 1/8 sy izay hanompanantsika ny fiainan’ny sampana: “INONA NO ATAONAREO MIHOATRA NOHO NY SASANY” Matio 5/47b sy ny hoe “RAHA FATRA-PANIRY NY ZAVA-PANAHY, DIA IZAY HAMPANDROSO NY FIANGONANA NO TADIAVO INDRINDRA” (IKor.14/12) isika.

Niarahantsika nahalala fa tamin’iny taon-dasa iny dia nifamahofaho ny soa sy ny fahoriana teo amin’ny fiainan’ny sampana misy antsika, kanefa dia misaotra an’Andriamanitra mandrakariva isika noho ny amin’ireny trangan-javatra samihafa ireny satria hoy ny soratra Masina hoe: “NY ZAVATRA REHETRA MIARA-MIASA HAHASOA IZAY TIA AN’ANDRIAMANITRA ». Araka izany, noho ny Fahasoavan’Andriamanitra, dia nahazo Tonia vaovao ny Sampana Fivondronana Laika (SFL) dia Ramatoa RAMANANA Fiainantsoa izay voafidin’ny Komity Foibe SFL ary nankatoavin’ny Mpiandraikitra Foibe FJKM ny volana Aprily 2018 lasa teo. Aoka hitondra am-bavaka izany mpanompon’Andriamanitra izany isika rehetra hahazoany mahatontosa ny anjara fanompoany araka ny sitrapon’ny Tompo.

Mahakasika ireo asa miandry antsika SFL, dia tsara ny hahafantarantsika ireto manaraka ireto:

  • Tanteraka soamantsara teny Ambohibao Antananarivo tamin’ny volana Febroary lasa teo ny fivorian’ny Komity Foibe SFLtaona 2018 nandinihana ny tatitra 2017 sy nanapahana ny tetikasa sy tetibola 2018.
  • Tapaka fa any MANAKARA no ho tanterahana ny Fihaonambe sy Zaikaben’ny SFL amin’ny taona 2019. Fotoana ihany koa hanaovana fanitsiana ny fitsipika fototry ny Sampana. Koa manentana ny VFL, VPL izay manana soso-kevitra mba handefa izany mialohan’ny faran’ny volana Aogositra 2018.
  • Natsangana ny komitin’ny fankalazana an’Andriamanitra noho ny faha 40 taonan’ny SFL, ka ny Mpitandrina RAMAMONJIARISOA Robert no lany ho filohan’izany Komity. Manantena ny fiarahantsika mientana amin’ireo Asa miandry antsika noho izany faha 40 taona izany indrindra fa ny fananganana ny tsangambato dia ny trano fiangonana ao Befasy- Morondava izany.
  • Ho tohin’ny hetsika Matio 111 nataontsika tamin’ny taon-dasa, dia ho tanterahina any amin’ny synodamparitany maromaro ny fampisehoana antsoina hoe RINDRAM-BATSIM-PANAHY na AorBiPy ho fitoriana ny Filazantsara sy fampivelarana ny talentan’ireoLaika havanana amin’izany.
  • Miroso ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny BIANCO sy ny SFL amin’ny fananganana tetikasa entin’ny Laika FJKM mijoro vavolombelona amin’ny ady amin’ny kolikoly.
  • Mivoaka indray izao ny gazety Laika Miara- Dia ka entanina hatrany isika hanampy amin’ny fanoratana sy fanjifàna ary fanapariahana izany gazetintsika izany.
  • Mampalahelo fa mbola tsy nahazo ny alalana ara-panjakana ny LOHARANO SFL hatramin’izao noho ny antony tsy fantatra na dia natao mandrakariva aza ny fangataham-panazavana.
  • Manoloana ny fiainam-pirenena, dia entanina isika Laika hamaly ny antso nataon’ny Filohan’ny FJKM mba tsy ho menatra handray andraikitra amin’ny seha-pitantanana ny firenena mba hahazoana mampanjaka ny Fahamarinan’ Andriamanitra eto anivon’ity tanindrazantsika ity.

Adidy maro ireo apetraky ny Tompo amintsika SFL ireo, koa manentana antsika Laika rehetra isan’ambaratonga (Komity Foibe, VPL, VFL) mba hiorina tsara amin’ny finoana sy hanana fiainam-bavaka mitohy ary hanatanteraka ny asa amin’ny fifaliana sy ny fanetrentena ao anatin’ny firaisankina sy fiombonam-po.

Eto am-pamaranana dia mampatsiahy antsika ny fanapahan-kevitry ny zaikabe 2015 mba hirosoantsika hatrany amin’ny fikatsahana loharanombola maharitra eny anivon’ny VPL sy VFL ary hanao ho zava-dehibe ny fitaizana ny Tanora eo anivon’ny sampana misy antsika.

Dia manao veloma finaritra antsika amin’ny Anaran’ny Tompo Jesoa ary mirary antsika rehetra hahefa ny adidy tandrifin’ny tsirairay  ary hahatratra am-pifaliana ny ivon’ny Jobilin’ny FJKM atao any Toamasina ny volana Aogositra ho avy izao.

“Koa amin’izany ry rahalahy malalako, dia miorena tsara, aza miova ary mahefà be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo.” I Kor.15 / 58

Amin’ny Anaran’ny Birao Foibe SFL, ny Filoha

RADAVIDSON ANDRIAMPARANY Benjamin

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV