Pasteur RAZAKAMANANA Mercia / Fisotrondronono.

FANASANA 

Hiditra amin’ny fotoana hisotroany ronono ny Mpitandrina RAZAKAMANANA Mercia  rehefa nahavita ny asa fanompoana ny Tompo amin’ny maha-mpitandrina azy nandritry ny 26 taona. Ny fotoana hanokafana ny fankalazana an’Andriamanitra noho izay fisotroan-dronono izao  dia ny Sabotsy 07 Jolay amin’ny 9 ora sy sasany maraina eny amin’ny FJKM ANOSIZATO HEBRONA.

 Ny Komitin’ny fisotroan-drononon’ny Mpitandrina dia manasa  ny mpianakavin’ny finoana rehetra mba ho tonga sy hifanotrona azy amin’io andro iray io.

Raha tsiahivina fohy :

         8 taona nampianarany tamin’ny Toeram-Panomanana Mpitandrina

  • 4 taona tany Mandritsara
  • 4 taona kosa tao Fianarantsoa.

4 taona ihany koa no nitondrany fiangonana tao amin’ny Fitandremana Peniela Ambodifasina Synodamparitany Iarivo Avaradrano.

Nandritra ny taona maro mandraka ankehitriny kosa no niasany tao amin’ny KPMS na Komitim-Pirenena Miady amin’ny Sida eo anivon’ny Foibe FJKM. Mpandrindra Mpanampy Nasionaly no andraikitra tanany ao anatin’izany.

Marihina fa ny Alahady 09 Desambra 2018 no ho fotoam-pamaranana ny fankalazana.

 

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV