Fotodalàna sy Fitsipika

Ny Fitsipika anatiny

Ny Fotodalana dia toy ny lalampanorenan’ny Fiangonana. Ao no miraikitra ny foto-kevi-dehibe rehetra itondrana ny fiangonana. Tsy ho àry voatanisa ao avokoa anefa ny zavatra rehetra ilaina ary misy aza ny tsy maintsy ilana famahavahana kokoa vao azo ampiharina. Koa arafitra ny fitsipika anatiny mba ho fampiharana io fotodalàna io. Izany fampiharana izany no antsoina hoe: « Fitsipika ». Fa ny fanoritsoritana ny ho fampiharana ny fitsipika eo anivon’ny ambaratongam-pitondrana kosa no antsoina hoe: Fitsipika anatiny.

Noho izany, ny Fitsipika anatiny no amahavahana ny ho fanatanterahana ny Fotodalàna sy Fitsipika. Noho io fifampiankinana io dia tsy misy afa-mifanitsaka izy ireo. Izany hoe: ny Fitsipika dia tsy hanohitra ny Fotodalàna ary ny Fitsipika anatiny tsy hanohitra ny Fitsipika na oviana na oviana. Tonga adidy amana andraikitry ny isan’ambaratongam-pitondrana ny manangana fitsipika anatiny mba ho fanatanterahana ny FDF and. 487 hoe: “Ny Fitsipika Anatin’ny isan’Ambaratongan-drafitra sy ny Ambaratongam-pitondrana ary ny an’ny Sampana sy Sampanasa ary Asa no mamaritra ny fomba arahina eo amin’ny fifandraisana misy eo aminy”.

Anjara andraikitry ny ambaratongam-pitondrana eo amboniny no mijery ny tsy fifanitsahan’ny fitsipika anatiny amin’ny fitsipika na ny ho fifanoherany.

Ny Mpiandraikitra Foibe no mankato ny fitsipika anatin’ny Synodamparitany (FDF 204) sy na an’ireo Sampana sy sampanasa ary asa sy ireo rehetra ao amin’ny Foibe.

Ny Synodamparitany no mankato ny fitsipika anatin’ny isa-pitandremana (FDF and.164).

Ny Fitandremana reniny no mankato ny fitsipika anatin’ny sampana sy sampanasa ary asa sy ny fikambanana ao aminy.

Izany fomba fiasa izany dia ho fampiharana ny hitsivolana mifehy ny fitondrana momba ny fivavahana izay ampahantsiahivin’ny Fotodalana andininy faha 40 hoe: “Mba ho fitandrovana ny filaminan’ny Fiangonana sy ho fampiharana ny And. 40 ao amin’ny Hitsivolana laharana faha-62-117 tamin’ny 01 Oktobra 1962 momba ny fitsipika mifehy ny fivavahana dia mijoro ny Filankevitra momba ny Fandaminana ny Fiangonana FJKM, afohezina hoe : FI.FA.FI., izay mandamina ny olana vokatry ny tsy fanarahana sy ny tsy fanajana ny Fotodalàna sy Fitsipiky ny FJKM sy ireo Fitsipika Anatiny samihafa izay nankatoavin’ny Ambaratongam-pitondrana mpiahy ; tsy fanarahana sy tsy fanajana izany izay miseho any anivon’ny Fitandremana, Synodamparitany, Foibe. Izay mahakasika ny Mpitandrina kosa dia halefa any amin’ny Filankevitra momba ny Fandaminana ny Mpitandrina afohezina hoe : FI.FA.MPI.”

Ankoatry ny fitsipika anatiny, ny Foibe dia manana adidy hamoaka toro-lalana ho an’ireo ambaratonga rehetra eo ambaniny ho fanampiana amin’ny fanarahana ny Fitsipika. Io Toro-lalana izay avoakany io dia anjaran’ny ambaratonga iharany no mankato tsy misy fepetra izany.

Ny fisian’ny fitsipika anatiny dia isan’izay fampiharana ny voalazan’ny Soratra Masina hoe: “Fa ny fahaizana mandamina tsara no entonao miady, Ary raha maro ny mpanolo-tsaina, dia misy famonjena.” (Ohabolana 24, 6)

Ho an’Andriamanitra irery ihany anie ny voninahitra.

Rasorapiangonana

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV