Fandalinam-pinoana/ Ny atao hoe: « Fahasoavana « .

Ny Fahasoavana

     Ny teny hoe Fahasoavana dia voalaza matetika amin’ny fotoana maro samihafa. Vita hasoavana ny zazakely dia arahabaina amin’ny teny hoe arahabaina nahazo fahasoavana. Voaray ho Mpandray ny Fanasan’ny Tompo ny tanora dia arahabaina fa nahazo fahasoavana. Ny fanontaniana mipetraka ary tsy maintsy hapetraka dia ny hoe fantatr’ireo izay miteny ny hoe fahasoavana ve ny hambaran’io teny io? Misy ny mahafantatra ny dikan’io teny io, saingy ampahany ihany. Angamba ny hoe soa ao amin’ny fototeny no tena manetsika ny olona hiteny azy. Anefa tsy ampy izany.

     Ao amin’ny Testamenta vaovao ny teny hoe: “Fahasoavana” dia milaza zava-dehibe. Andriamanitra no Andriamanitry ny fahasoavana rehetra (I Petera 5/10). Ny Fanahy Masina no Fanahin’ny fahasoavana, Jesosy Tompo no namonjy antsika (Asa. 15/,10).

Ny fahasoavana dia ilay fitiavan’Andriamanitra mikasika ny olona tsy mendrika ny ho tiavina. Andriamanitra dia nitia antsika izay fahavalony, namela ny fahotantsika ary nanaiky ny handray antsika ho zanany, izay no fahasoavany! Ny fahasoavana dia mifamatotra amin’i Jesoa Kristy sy ny asam-panavotana nataony teo amin’izay nihabeazan’ny ota no nihoaran’ny fahasoavana be lavitra, ka dia tahaka ny nanjakan’ny ota tao amin’ny fahafatesana no hanjakan’ny fahasoavana kosa amin’ny fahamarinana ho amin’ny fiainana mandrakizay, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika (Rom. 5/ 20- 21).

     “Isika tsy ambanin’ny lalàna fa ambanin’ny fahasoavana”, hoy ny Apostoly Paoly (Rom. 6/ 15). Ny miaina ambanin’ny fahasoavana dia mizotra amin’ny alalan’ny fahafahana izay vokatry ny fahafahana amin’ny fanandevozan’ny fahotana sy ny tahotra. Izany dia mitondra antsika hanao izay ankasitrahana eo imason’Andriamanitra.

Ny fandraisana ny fahasoavana:

Raisina sy ekena amin’ny fibebahana fa tsy manana na inona na inona

Raisina amin’ny fanantenana, avela tanteraka ny hambom-po.

Fa ny fahasoavan’Andriamanitra no nahatoy izao ahy, ary tsy foana ny fahasoavana ato amiko fa efa niasa fatratra mihoatra noho izy rehetra aho, nefa tsy izaho fa ny fahasoavan’Andriamanitra no niara-niasa tamiko (I Kor 15/ 20).

Rabetsimialona Jean Emmanuel

Teolojiana


Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV