Fanazavana Perikopa Jolay 2018

Sahia mitory ny fahamarinana

            Mandray ny volana faha fito amin’ny taona sahady isika. Amin’izany, no ibanjinana ny lohahevitra hoe : « Sahia mitory ny fahamarinana ». Noho izany, ny fahamarinana no havoitrantsika manokana eto. Tsy ny teolojia momba izany anefa no hasongadina fa izay fahamarinana mifanandrify amin’ny perikopa voalahatra amin’ny Alahady voalohany sy ny faharoa amin’ity volana jolay ity no raisina ho tari-dàlana.

  • 2 Samoela 12, 1- 17 : Nampahafantarin’i Natana an’i Davida ny fahadisoany tamin’ny tetika hahafaty an’i Oria mba hahazoany mahazo ny vadiny ho vady. Na tsy voalaza mazava eto aza ny teny hoe : fahamarinana dia azo ambara amin’ireto endrika ireto izany. « Ny fahamarinana dia fanambarana ny fahadisoan’ny hafa mba hahazoany mibebaka », moa va tsy ny nataon’i Natana ka nitoeran’i Davida tamin’ny fifadian-kanina hafitoana.
  • Jeremia 9, 22- 23 : « Ny fahamarinana dia izay omen’Andriamanitra ny olona » fa tsy miankina amin’ny maha izy azy antsika. Noho izany, ny olona tsy mahalala an’Andriamanitra fa mitoky amin’ny herin’ny tenany dia azo antoka fa tsy hanana ny fahamarinana na oviana na oviana. Amin’izany, « ny fahamarinana dia ny fiankinana tanteraka amin’Andriamanitra ».
  • Marka 6, 14- 20 : Nahare ny antso ho amin’ny fibebahana izay notorian’ny Apostoly ny Heroda Mpanapaka dia nihevitra fa i Jesoa dia tsy hafa fa i Jaona Mpanao batisa izay nitsangana tamin’ny maty , ilay notapahiny ny lohany. Nitamberina tao an-tsainy avokoa ny antony namonjany an’i Jaona dia noho ny fanambaran’i Jaona taminy ny tsy maha mety ny nakany ny vadin’ny rahalahiny ho vadiny. Amin’izany, ny fahamarinana dia tsy hafa fa « fampifanarahana ny tokony ho izy sy ny tokony ho lalam-piainana » . Noho izany, tsy fahamarinana ny maka ny vadin’ny hafa.
  • Matio 21, 23- 32 : Tsy miankina amin’ny fahalalana sy ny fahatakarana hevi-panahy iray na iraka amana andraikitra ny fahamarinana. Tsy ny loharanom-pahefan’i Jesoa no nataony ho zava-dehibe satria tsy izany no miantoka ny fahamarinana fa « fiainana ny fankatoavana amin’izay fanatanterahana asa nanirahana ». Ohatra iray no ambara eto : tsy ny fanekena fa ny fanantanterahana iraka no zava-dehibe. Ny iray nanaiky nefa tsy nanatanteraka fa ny iray kosa tsy nanaiky kanefa nahatsiaro tena ka nanatanteraka ny iraka nampanaovina azy ka isaina ho fahamarinany izany.
  • Asan’ny Apostoly 26, 24- 32 : Ao anatin’ilay lahateny fiarovan-tena nataon’i Paoly teo anatrehan’i Agripa mpanjaka ity perikopa ity, raha nampangain’ny Jiosy rahalahiny izy. Araka ny ambaran’i Paoly eto (and .25) dia izay marina nitranga teo amin’ny fiainany no endriky ny fahamarinana nalahany. Koa ny « fanambarana ny zava-misy marina no antsoina ho fahamarinana ».
  • 2 Timoty 2, 14- 21 : I Paoly Apostoly dia nananatra an’i Timoty teo anoloan’ny fisian’ireo mpampianatra sandoka. Anariny i Timoty tsy ho mpampianatra sandoka ka taominy hanambara ny tenin’ny fahamarinana ka « hampifanaraka ny teny tenenina sy ny fiainana iainana » mba hahazoana manambara ny fahamarinan’ny fampianarana. Mampahatsiahy ny tenin’i Jesoa izany, araka ilay voasoratra hoe : « Koa ataovy tsara ny hazo mbamin’ny voany, na ataovy ratsy ny hazo mbamin’ny voany; fa ny voany no ahafantarana ny hazo ». (Matio 12, 33)

Ho an’Andriamanitra irery ihany anie ny voninahitra.

RAKOTOZANANY Andrianirinomena Jules, Mpitandrina 

Perikopa

Aogositra: Mitsangana hanohitra ny Herisetra

| | 19. Alah XV man. Trin. Aumônerie Nationale
Mpits 19.22-30/ Mat 5.38-42/ Efes 4.25- 5.1-2

| | 26. Alah.XIII man.Trinite
1 Mpanj 21.7-19/ Mar 6.21-29/ Asa 16.16-34