Hafatry ny Filoha / Jolay 2018.
Vontosy Filazantsara
Ny Nosy Madagasikara !
Fa tena tonga ny fotoana
Azontsika hararaotina
Hanoratana takila
Vaovao, mamirapiratra,
Amin’ny bokin’ny Tantaran’
Ny tanindrazantsika ity.
Fa ny Filazantsara,
Izay mitory fahamarinana,
Fitiavan-tanindraza-marina,
No hasandratsika avo.
Fa ny Filazantsara
Dia nanova ny Tantara
Teto Madagasikara
Ka nitondra hazavana.
Fa ny Filazantsara
Dia nanova olo-maro
Hanjary olo-mahatoky,
Izay fanoitram-pandrosoana.
Ary ankehitriny koa,
Tsy mbola miova velively
Izany heriny mpanova
Mba hisian’ny olo-marina
Tsy hamitaka vahoaka
Amin-teny tsara lahatra.
Mivavaha mba hisy izany!
Miasà mba hisy izany!
Ny hisian’izany indrindra
No anentanana eto indray:
VONTOSY FILAZANTSARA
NY NOSY MADAGASIKARA !
IRAKO Andriamahazosoa Ammi, Mpitandrina
Filohan’ny FJKM