Foto-dàlana sy Fitsipika/ Fanavaozana tomponandraikitra

FANOMANANA HO AMIN’NY

FANAVAOZANA TOMPONANDRAIKITRA

Madiva hifarana ny fotoam-piasan’ireo tomponandraikitra voafidy tany anivon’ny Fitandremana sy ny Synodamparitany. Koa ho fiomanana dia indro atolotra etoana ireo tsara ho fantatra momba ny ho fanavaozana araka ny Foto-dalana sy Fitsipika (FDF).

Ny toko fahadimy ao amin’ny FDF no mitanisa ny fisiana sy izay fifampitondrana ho an’ny ambaratongan-drafitra sy ny ambaratongam-pitondrana ato amin’ny FJKM. Ka eo amin’ny fizarana faharoa amin’izany no manambara ny amin’ny fifidianana sy ny fe-potoana iasana. Misy ny fepetra ankapobeny, ary eo ihany koa ny fepetra itondrana ny ho fanavaozana tomponandraikitra.

Fepetra ankapobeny

Ny fepetra ankapobeny no mamaritra fa ny olona rehetra feno dimy amby enimpolo taona dia tsy fidina na tendrena intsony amin’ny andraikitra. (FDF and. 265)

Fepetra momba ny fifidianana

Ny Mpiandraikitra Foibe dia manana andraikitra hamoaka fe-potoana izay hamaranan’ny Synodamparitany ny fanavaozany ireo tomponandraikitra satria ny taom-piasan’ireo tomponandraikitra dia efa-taona ka ny ho fanavaozana dia vitaina amin’ny taona mialoha ny Synoda lehibe, araka ny FDF and. 267 hoe: Ireo Tomponandraikitra rehetra eo amin’ny Ambaratongan-drafitra sy Ambaratongam-pitondrana ato amin’ny FJKM sy ireo Tompon’andraikitra any amin’ny Sampana sy Sampanasa ary Asa dia havaozina avokoa isaky ny efa-taona. Vitaina alohan’ny Synoda Lehibe izany fanavaozana izany araka ny fe-potoana omen’ny Mpiandraikitra Foibe”.

Raha ny taona 2020 no hotanterahina ny Synoda lehibe faha XIX dia ny taona hiditra io, izany hoe: ny taona 2019, no hovitaina ny fifidianana any anivon’ny Synodamparitany rehetra, ka isan’izany ny any amin’ny Fitandremana.

Hiainga amin’ny fanavaozana ireo tomponandraikitra eo anivon’ny Fitandremana ny ho fanavaozana araka ny FDF and.268. Amin’izany, ireto tanisaina ireto no hiandry azy ireo mialohan’ny andro anatanterahana fifidianana na ny fanavaozana araka io andininy faha 268 io:

  • Havaozina ny lisitry ny Mpandray ny fanasan’ny Tompo, hiankina indrindra amin’izany mantsy no ho isan’ny Diakona izay hofidiana isa-pitandremana. Araka izany, ny mpifidy sy ny tomponandraikitra voafidy dia tsy maintsy ho mpandray ny fanasan’ny Tompo voasoratra anarana ao amin’ny Fitandremana iray. Tsy misy Mpandray ny Fanasan’ny Tompo afa-misoratra amin’ny Fiangonana mihoatra ny iray.
  • Havaozina ny Mpihevidraharaha sy ny Biraon’ny Fitandremana. Araka ny efa nampahafantarina tany aloha dia ampahatsiahivina fa manana ny solontenany ao anatin’ny Mpihevidraharahan’ny Fitandremana ny Sampana sy ny Sampana ary Asa; noho izany, tsy maintsy ho efa nohavaozina talohan’izany ny tomponandraikitra any anivon’ny Sampana sy ny Sampanasa ary Asa tao amin’ny Fitandremana mba ho Mpihevidraharaha vaovao no hifidy ny Biraon’ny Fitandremana vaovao.

Ny FDF and. 271 dia manambara fa: Ny tompon’andraikitry ny Ambaratongan-drafitra mpiahy dia mahazo manatrika ny fifidianana tanterahina ao amin’ny Ambaratongan-drafitra eo ambany fiahiany, raha ilaina.”

Manomboka eo amin’ny fanambarana ny vokatry ny fifidianana ny fotoam-piasan’ireo Tomponandraikitra vaovao araka ny ambaran’ny FDF and. 267: “Mandray ny andraikiny avy hatrany ireo tompon’andraikitra isan’Ambaratonga voafidy.”

Na izany aza, ny FDF andininy faha 268 no mamaritra ireo fepetra ho amin’ny firosoana handray raharaha arak’izao:

  • Manao famindran-draharaha sy famindram-pahefana amin’ireo vao voafidy ireo tomponandraikitra teo aloha ka ny fitsipika anatin’ny Fitandremana no mametra ny fe-potoana hanatanterahana izany. Noho izany, tsy maintsy manana ny fitsipika anatiny itondrany ny raharahany ny isam-pitandremana. Fitsipika anatiny izay tsy hifanohitra amin’ny an’ny Fitsipika anatin’ny Synodamparitany reniny sy ny FDF, ka nankatoavin’ny Synodamparitany.

Izao mantsy no lazain’ny FDF And. 164 momba ny fisian’io fitsipika anatin’ny Fitandremana io: “Ny Fitandremana dia manana Fitsipika Anatiny itantanan’ny Ambaratongam-pitondrana rehetra ny raharaha ao aminy ka ankatoavin’izy ireo. Tsy mahazo mifanohitra amin’ny Fotodalàna sy Fitsipiky ny FJKM sy ny Fitsipika Anatin’ny Synodamparitany izany ary tsy manan-kery raha tsy ankatoavin’ny Synodamparitany.”

Eto am-pamaranana dia mirary fiomanana ho tanteraka aminareo. Ho an’Andriamanitra irery anie ny voninahitra.

RASORAPIANGONANA

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV