FJKM Mandroseza/ Tsangambato fisotrondronono

Jobily fisotrondrononon’ny Mpitandrina 

JONHSON Justin mianakavy

 TAFATSANGANA NY “AKANIN’NY FINOANA”

Vita soa aman-tsara ny “Akanin’ny Finoana”, izay tsangambaton’ny Jobily fisotrondrononon’ny Mpitandrina  JONHSON Justin avy ao amin’ny FJKM MANDROSEZA Ankadindratombo Miray (MAMI) SP AA 12.  Ny Komitin’ny fananganana ny tranon’ny Mpitandrina no nitarika ny fanorenana ary eny  Mahitsy Alasora  amin’ny lalana mizotra ho eny Ambohimanambola no misy azy io.

Ny Zoma 01 Jona 2018 lasa teo no nitokana azy ny FOIBE FJKM, izay notarihin’ny Filoha Atoa IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi, Mpitandrina, ny Prezidà Synodaly Atoa RABENANTOANINA Philibert, Mpitandrina, ny mpitandrina ao amin’ny FJKM MAMI Atoa RANDRIANARIMANITRA Désiré, ary ny vahoaka kristiana tao amin’ny fiangonana mbamin’ireo vahiny nasaina.

Isaorana an’Andriamanitra noho ny fahavitan’ny trano. Isaorana ihany koa ny Mpitandrina sy ny komitin’ny fananganana, ireo kristiana rehetra ao amin’ny fiangonana MAMI, ireo malala tanana tamin’ny fanampiana rehetra ary isika rehetra. Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra.

Ramatoa JONHSON Hanitra

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV