FFKM/ SEFAMP

SEFAMP

Namaky bantsilana ny fambaboana ara-toekarena eto Madagasikara

Nitondra am-bavaka ny firenena sy nanatanteraka velankevitra ny Sabotsy 09 Jona 2018 lasa teo teny amin’ny EKAR Faravohitra ny SEFAMP na ny Sampanasa Ekiomenika ho an’ny Fampandrosoana izay iombonan’ny Fiangonana efatra mandrafitra ny FFKM. Velankevitra izay mamaky bantsilana ny fambaboana ara-toekarena eto amin’ny Firenena.

Osa ny firenena manoloana ireo hery ara-toekarena mitrandraka sy mivelona eto, na ireo ara-dalàna izany, indrindra fa ny tsy ara-dalàna. Mitanila ny fiharian-karena, ka ny afaka ihany no mandroso, ary tsy mitsinjara ara-drariny ho an’ny Malagasy ny soan’ny taniny. Mampiaiky volana ny fahantran’ny Malagasy sy ny fiakaran’ny vidim-piainana izay mihàtra amin’ny maro an’isa.

Iray amin’ny fositra lehibe mahavoa mafy ny toe-karena ny kolikoly sy risoriso ataon’ny tompon’andraikitra amin’ny sehatra maro, izay mivarotra ny fahamarinana noho ny tombontsoa manokana ka tsy mihevitra mihitsy ny « soa iombonana ». Indrindra amin’ireo sehatra saro-pady toy ny Fitsarana, ny Filaminam-bahoaka sy ny Fitsinjaram-pahefana.

Mirohotra amin’ny fangoronan-tany tsy ara-drariny ireo matanjaka ara-toe-karena ary mivalampatra tokoa manoloana ireo mahantra zary « maso mahita vola » sy ny fikorontanan’ny raharaham-pirenena. Lo ny tompon’andraikitra maro, mivarotra tanindrazana, ary tsy naman’ny osa fa miandany amin’ny mahery sy manana hany ka « valala voatango » ny vahoaka. Tsy laharam-pahamehana amin’ny politikan’ny fananan-tany ankehitriny ny vahoaka sy ny tantsaha Malagasy, fa manome vahana tanteraka ny mpanam-bola vahiny izany. Araraotina amin’ny tsy fahalalany sy ny fahantrany ny vahoaka ka ianjadian’ny kolikoly maro isan’ambaratongany. Miteraka disadisa maro izany ankehitriny, ary mahatonga fahatsapana fa voababo mihitsy ny Firenena.

Vao mainka koa mitombo ny fahasahiranan-tsaina noho ireo lalàna roa dia ny “loi sur les propriétés privées titrées sy ny “loi sur les Zones Economiques Spéciales”.

Ny halatra sy fandrobana ny harena voajanahary ambonin’ny tany, ambanin’ny tany sy an-dranomasina dia heno saika isan’andro manerana ny Nosy.

Ny harena ankibon’ny tany lehibe moa dia trandrahana amin’ny fifanarahana ara-dalàna amin’ny Fanjakana, kanefa kosa tsy ahatsapana soa mivaingana manainga ny toe-karen’ny Firenena.

Ny halatra omby mitarika ny tsy fandriampahalemana dia mampikaikaika sy mamono ny tontolo ambanivohitra.

Ary farany, ny orinasa sy ny fiharian-karena matanjaka indrindra eto amin’ny firenena ( sakafo, solika, angovo, banky, orinasa, fifandraisana, fitaterana, tao-trano sy varo-tany, sns…) dia saiky tsy ahitana tera-tany Malagasy.

Ireo no sary indray mihelina maneho ny fahababoan’ny firenena raha ny nambaran’ny SEFAMP. Ny hanairana ny Kristiana sy ny Fiangonana hahafantatra mazava ny zava-misy avy amin’ny asa fandalinana siantifika, mazava sy marim-pototra no tanjona tao anatin’zany velankevitra izany. Kendrena hanampy ny asan’ny Fiangonana ihany koa izany handraisany andraikitra amin’ny fanavotana ny firenena, ka hamerenana ny hasin’ny vahoakan’Andriamanitra izay nohariana araka ny endriny; izany hoe “mendrika”.

R.Philémon

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV