Alakamisy 21 Jiona 2018.

Miantsoa fanafahana avy amin’ny Tompo 

Mpitsara  10.6-16

Ny  fanompoana andriamanitra  hafa dia:

1-Mahatezitra  an’ Andriamanitra

Fitantarana  sy fanehoan-javatra  tena miavaka  ao amin’ny Baiboly ny fanehoana  ny  fifandraisan’ny  olona amin’ Andriamanitra,  satria  haseho ao fa tena mpivadibadika  tokoa ny  olona  , izany  hoe: ny  fanekeny  an’ Andriamanitra  ho Mpamonjy  sy hivavahana nefa  vetivety  eo  dia miala  amin’ Andriamanitra indray izy ireo  fa mitodika  amin’ny zavatra  hafa mihitsy . Haseho  eto  fa mahatezitra  mafy  an’ Andriamanitra  izany  fihetsiky ny  olona izany  ka mahatonga   Azy hampitondra faisana ny  olona . Eto  izany  dia aseho  amin’ny hoe: nahantra  indrindra ny zanak’  Israely, izany  hoe: niaina  tao  anaty  fijaliana tamin’ny  lafiny rehetra noho  ny fialana tamin’ Andriamanitra , satria  nahatezitra mafy  Azy ny zavatra nataony .

2-Miantso ny  olona hiverina Aminy  Izy 

Ao  amin’ny  and  14 dia manao  eson-teny  ny  olona Andriamanitra  noho ny hadalan’ny  olona ihany , kanefa mampieritreritra  koa Izy  ka  hiantso  azy handanjalanja ny  zavatra  misy  eo amin’ny fiainany . Taomina ny olona hampitaha  hoe: nanao ahoana  izy  fony  teo  ambany  fitondran’ Andriamanitra  sy ny zava-nanjo  azy ireo rehefa niala tamin’ Andriamanitra indray. Tsapa  eto fa nahatsiaro  ny fahadisoany  ny  olona ka nanao hoe: »efa nanota izahay , ataovy  aminay  izay rehetra  sitrakao, kanefa  mba vonjeo  izahay » (and15). Lazaina fa mahatsara ny  olona ny zava-tsarotra  mihatra  amin’ny fiainany  mba handinihany  tena.

Fanontaniana:

Manaiky  ve ianao  fa  mahatsara  ny  olona , ny  kristiana  indrindra ny  zava-tsarotra  sedrainy?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

 

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV