Fandalinam-pinoana/ « Euthanasie »

MISY NY FIANGONANA MITORY NY EUTHANASIE

Ny “Euthanasie” dia fomba famonoana olona an-tsitrapo, mba hisorohana ny fangirifiriana tafahoatra noho ny aretina hita fa tsy azo sitranina intsony, na dia ampiasaina fanafody aza. Misy ny pitsopitsony arahina rehefa hiroso amin’izany, ho an’ny firenena efa manaiky manao izany famonoana olona an-tsitrapo izany.

Teto Madagasikara dia efa niaina izany fahiny na ankehitriny. Taloha, rehefa tsy mety maty ny antitra iray olo-mody, dia namakian’ny havany voatavo arivolahy, mba hahafaka ny ainy. Ny zaza teraka vintana alakaosy, dia napetraka teo amin’ny vavahadin’omby, ka avela nohitsahan’ny omby eo. Raha tsy maty dia afaka ny vintan-dratsiny. Misy vaviantitra tsy mety maty tao amin’ny tanàna iray tany amin’ny Faritra, dia nalefany tao anaty lakana hivalan-drano ho faty moramora any. Endriky ny famonoana olona an-tsitrapo izany.

NY MPANORINA NY FIANGONAN’NY EUTHANASIE

Chris KORDA no nanorina ny Fiangonan’ny Euthanasia, tany Etazonia ny taona 1992.Ny tanjony dia (1) ho fampihenana ny isan’ny mponina, ary (2) ho fiarovana ny Tontolo Iainana na ny Tany.

Nanonofy io nanandra-tena ho Pastera io, ary nisy toy ny anjely (être) niteny taminy fa mijaly ny Tany, ary ny vavahadin-tsain’ny olona dia tsy mahita izany. Dia niteny io toy ny anjely io hoe “Vonjeo ny Tany, vonoy ny tenanareo”. Ambony noho ny ain’olona izany ny famonjena ny Tany, fotokevitra hafa tanteraka noho izay lazain’ny Baiboly.

Tokana ny Didy ao amin’io Fiangonan’ny Euthanasie io : “Aza miteraka”. Tsy Didy Folo toy ny antsika ny azy, ary Didy tsy fantatsika kristiana rahateo izany aza miteraka izany. Tsy ny handripaka tanteraka ny olombelona no tanjon’io Fiangonana mpamono olona an-tsitrapo io, nefa rehefa tsy tratrany fampihenana ny isan’ny mponina izany, dia ny lalan’ny fandripahana ny olombelona no efa homaniny.

TETIKADY HANATRARANY NY TANJONA

Mba hampihenana ny isan’ny mponina ary, dia misy tetikady efatra (4) aroson’ity Fiangonana mpamono olona an-tsitrapo ity. Ny voalohany, dia  ny mamono tena. Tsy terena hanao izany ny mpikambana ao aminy, saingy dia miharihary kosa fa ampirisihany tokoa. Faharoa, dia ny manala zaza. Azon’ity Fiangonana terena hanala zaza ny mpikambana ao aminy, mba hisorohana ny fiterahana. Ny fahatelo, dia ny mihinana olona. Ireo mpikambana izay mihinana hena dia tereny hihinana olona, mba hampihenana ny isan’ny olona. Ary ny fahefatra, dia ny sodomia na firaisan’ny samy lahy. Tsy tereny io, nefa tena ampirisihany koa, satria tsy mpifampiteraka ny  firaisan’ny samy lahy.

FAMONOANTENA

Singanina manokana eto ny famonoantena. Manana site ao amin’ny internet ity Fiangonana mpamono olona ity, hanomezany “fanampiana ara-kevitra” izay olona mitady hamono tena. Misy fitaka ratsy anefa amin’izany, satria tsy ny hanome hevitra hisakanana tsy hamono tena no ataony, fa ny mpitarika ilay olona hiroso tokoa amin’izany famonoantena izany.

Misy boky omena izay kandida hamono tena, manoro hevitra handray fanapahankevitra tsy miverimberina intsony. Dia arahiny telefaona io olona io rehefa andalana hamono tena, hanoroany hevitra hatrany azy hanatanteraka tsy mihemotra mihitsy. Ary omeny ny anaran’ireo olo-malaza efa namono tena niaraka tamin’io Fiangonana io, mba hananan’io kandida hamono tena io rehareha fa olo-malaza koa izy raha mamono tena.

TANDREMO

Misy tokoa, araka izany, Fiangonana izay tena manapotika sy mamono mihitsy ny olona mpanara-dia azy. Tsy izay rehetra arantiranty ho fivavahana entin’ny vahiny dia mahasoa sy mampitombo ara-panahy avokoa. Misy ny ratsy fitondrantena, ny misy mpandroba haren’ny mpivavaka ao aminy, ary ity dia mpamono olona mihitsy.

Mifikira tsara amin’ny Fiangonana misy anao, ary tsy misy Fiangonana tonga lafatra ety an-tany. Ny olana rahateo dia tandra vadin-koditry ny fiainana an-tany. Jesoa efa maty hamonjy antsika no fanantenana sy hery hiatrehana izany.

A.Zaka, Mpitandrina

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV