Alarobia 20 jona 2018

Miantsoa fanafahana avy  amin’ny Tompo

Salamo 37:34-40

Fampanantenan’Andriamanitra ny olony hatrany am-piandohana hatrany amin’ny Genesisy ny fampandovàna tany ny olony (ohatra : Gen. 12:7 ; …sns) ary nitety vanim-potoana mihitsy izany fampanantenana izany. Andriamanitra mantsy dia tsy mampisaraka velively ny olona amin’ny tany. Tsy ny olona rchetra anefa dia nokendreny handova izany , fa ireo izay manaraka ny fepetra teneniny ihany. Araka ity salamo ity dia ireto no arahana mba handovana ny tany :

1 – Miandry ny Tompo

Ny hoe « miandry » dia filazana elanelam-potoana fiandrasana izay mety tsy ho voafaritra mialoha. Rehefa miandry koa dia misy zavatra maro samihafa sedraina ,noho izany rehefa miandrv ny Tompo dia mila mandefitra (jereo Sal. 37:11) mandefitra amin’ny zavatra mitranga manodidina rehetra, mitaky fiaretana koa ny miandry (jereo Sal. 130:5‑6) ary tsy miala amin’ny fialofana Aminy velively amin’izany ka manantena ny famonjen’Andriamanitra sy ny heriny mba hanampy ny olona (jereo Oha 20, 22 ; [sa 57, 13). Entanina àry ny olona haharitra hiandry ny Tompo ka tsy  ho mora kivy eo am-piandrasana .

2 – Mitandrina ny làlanv

Ahoana moa no hahafahana hitandrina ny làlan’Andriamanilra raha tsy mahafantatra ny làlana aloha ? Ho an’ny kristiana dia tsy sarotra izany satria i Jesoa no làlana. Mila manana Azy izany fa tsy mandeha amim-pahazarana fotsiny na mandeha amin’ny endrika ivelany fotsiny.

Fanontaniana :

Afaka miteny ve ny kristiana hoe: handova ny tany ampanantenain’ny Tompo azy ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV