Alakamisy 14 Jona 2018

Miantsoa fanafahana avy  amin’ny Tompo

Levitikosy 25, 39 – 46

Ny taon-Jobily sy ny fiaraha-monina

Amin’ny taon-jobily dia misy koa ny andraikitra miandry ny tsirairay eo anivon’ny fiaraha-monina araka izao :

1 – Fitsinjovana ny mahantra

« Ary raha mihamalahelo ny rahalahinao » (and.39). Izany dia mampianatra antsika mba hahay mitsinjo ny hafa, indrindra fa ireo mahantra sy sahirana, Tsy tanisaina eto izay antony nahatonga ny fahantrany, na vokatry ny hakamoana, na vokatry ny fanararaotan’ny hafa, fa ny zava-dehibe dia ny ahazoana manampy sy manarina azy amin’ny fahantrany. Hihena ny tahan’ny fahantrana eo amin’ny mponina raha arahina izay lazain’ny Soratra Masina, satria misy ny fitsinjovana manokana ireo mahantra. « Fa ny tany tsy ilaozana olo-malahelo. Koa izany no andidiako anao hoe : Sokafy tsara amin’ny rahalahinao ny tànanao, dia amin’ny malahelo sy ny mahantra eo amin’ny taninao » Deo. 15:II.

2 – Fanaovana nv rariny

Ny mahantra sy ny malahelo dia ireo izay voatery hiankin-doha amin’ny hafa, ary indraindray na matetika aza dia iharan’ny fanararaotana sy ny tsy rariny izy ireny, saingy tsy afa-manoatra. « Aza ampanompoinao toy ny andevo izy » (and.39). Mety ho lasa mpikarama, na andevon’olona aza ny sasany amin’izy ireny. Tsy sitrak’Andriamanitra ny hisian’ny olona manararaotra ny fahorian’ny sasany. « Aza mampanompo azy fatratra. fa matahora an’Andriamanitrao » (and.43). Ny taon-jobily dia ikendren’Andriamanitra mba hanafahana ny olona amin’izay endri-panandevozana rehetra.

Fanontaniana :

Isaky ny fotoana inona no manao asa fiantrana ianareo ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV