Alahadin’ny Sekoly FJKM 2018.

FIANGONAN’I JESOA KRISTY ETO MADAGASIKARA

DEPARTEMANTAN’NY SEKOLY  FJKM

 

« Ary hianareo koa dia vavolombelona hanambara » Jao.15/27a

FANDAHARANA FANOMPOAM-PIVAVAHANA

Alahady natokana hitondrana am-bavaka

ny Sekoly manerana ny sahan’ny FJKM

“MIANTSOA FANAFAHANA AVY AMIN’NY TOMPO

 

  1. HIRA FANEVA faha- 50 taona FJKM .
  2. FIARAHABANA APOSTOLIKA : Ho amin’ny fanahinareo anie ny fahasoavan’i Jesosy Kristy Tompo.( Fil 4 : 23)
  3. FIDERANA

 Salamo 96, 1-6

 Hira : 14

 Vavaka fiderana

  1. NY TENIN’ANDRIAMANITRA :

 Fotoanan’ny ankizy : Hira  808: 3

 Hira 210: 1,4

 Vavaka Fangatahana ny fitsilovan’ny Fanahy Masina

 Vakiteny : Estera 4, 13-17 ; Jaona 8, 31-38; Jakoba 1, 26-27

 Hira 205: 4

 Toriteny

  1. VAVAKA SETRIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA SY FIFONANA  Hira : 334
  2. FAMELAN-KELOKA : 1 Jaona 4, 9-10 “Sambatra ny olona izay voavela ny helony ………..” (Salamo 32, 1 sy 2)  Hira: HF 3
  3. FANEKEM-PINOANA: Laharana Faharoa
  4. ASA VAVOLOMBELONA
  5. VAVAKA FANGATAHANA
  6. ASAN’NY FIANGONANA:

 Raharahan’ny fiangonana

 HAFATRA AVY AMIN’NY FOIBE FITONDRANTSEKOLY

 Rakitra : Hiran’ny Antokom-pihira

 Vavaka fanolorana ny rakitra

  1. FAMARANANA  Hira 332, 1

 Tsodrano

Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra.

Amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina. Amena.

 

HAFATRA

AVY AMIN’NY FOIBE FITONDRANTSEKOLY FJKM

 

Ry Havana malala ao amin’ny Tompo,

Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavan’I Jesoa Kristy sy ny fitiavan’Andriamanitra ary ny firaisana amin’ny Fanahy Masina. Amen. Galatiana.13,14

Miarahaba manokana ny Sekoly FJKM rehetra manerana an’I Madagasikara nahatratra ity Alahady natokana hitrotroana am-bavaka antsika ity . Mampahery ny Talemparitra, Talentsekoly, ireo Mpampianatra, ireo mpianatra  ary eo ihany koa ireo Ray aman-dReny noho ity taom-pianarana ity izay nisedrana zavatra maro, tao ny aretina Pesta, ny rivo-doza, ary ireo fanakarontanana samihafa noho ny raharahampirenena ka nahatonga ny fihemorana lava na teo amin’ny fidirana na teo amin’ny fandaminana, ary anisan’ny taom-pianarana lava indrindra. Isaorana ny Ray aman-dReny ny amin’ny fiaraha-miasa mandrakariva amin’ny Sekoly.

 Misaotra  ny Fiangonana izay nanohana hatrany ny asan’ny Sekoly na aty amin’ny Foibe izany  na ny Sekoly mivantana .  Hiroso amin’ny Kitapo Iombonan’ny Sekoly FJKM (KIS) isika ry Havana; Isaorana ny Biraon’ny Mpiandraikitra Foibe izay nanapa-kevitra ny amin’ny hampiharana izany, mivavaka isika hahatanteraka ny asa hataon’ny Komity, ny tanjona dia ny hitovian’ny mpampianatra rehetra eran’I Madagasikara ny amin’ny fanampiana izay ho azon’izy ireo.

Aoka ny Sekoly FJKM rehetra hanohy hatrany ny ezaka efa natao, hijoro ho vavolombelona mandrakariva amin’ny fanabezana ataontsika. Mampirisika ny Fiangonana hampiana-janaka ao amin’ny Sekolintsika ary hatoky azy ireo ho voninahitr’Andriamanitra. Misaotra sahady anareo Sekoly sy Fiangonana hanohana ny asan’ny Foibe Fitondrantsekoly FJKM amin’ny alalan’ny “rakitra noho izao Alahady nasionaly izao;  fa Andriamanitra tsy mba tsy marina hanadino ny asanareo sy ny fitiavana izay nasehonareo ho voninahitry ny anarany. Hebreo 6/10a”.

 Farany, ry Havana, mirary soa ho an’ireo zandry zanaka hiatrika ny fanadinam-panjakana amin’ity taom-pianarana 2017-2018 ity. Ny fanompoam-pivavahana famaranana ny taompianarana 2017-2018 sy fangataham-pitahiana ny mpianatra mialoha ny fanadinana dia hotanterahana ny 27 Jolay 2018  ao amin’ny FJKM Alatsinainy Bakaro Synodamparitany Atsimon’Iarivo Miray. SP-15-

Ho  an’Andriamanitra irery ny  voninahitra.

NY TONIAN’NY DEPARTEMANTAN’NY SEKOLY FJKM

RAKOTONDRANAIVO Domoina

 

IREO DATY TSARA HO TADIDY

  1. Ny 19 Jona 2018 : Fanadinana andrana CEPE manerana ny Sekoly FJKM
  2. Ny 02-05 Jolay 2018 : Fanadinana andrana BEPC manerana ny Sekoly FJKM
  3. Ny 16-19 Jolay 2018 : Fanadinana andrana BACC manerana ny Sekoly FJKM
  4. Ny 27 Jolay 2018 : Fotoam-pivavahana famaranana ny taom-pianarana 2017-2018 ao amin’ny FJKM Alatsinainy Bakaro SP-15- Atsimon’Iarivo Miray.
  5. Ny 14 Aogositra 2018: Fanadinana CEPE ara-panjakana
  6. Ny 03 -06 Septambra 2018: Fanadinana BEPC ara-panjakana
  7. Ny 27 Aogositra 07 Septambra 2018 : Fanofanana Mpanabe Akanin-jaza ao amin’ny Ecole privée FJKM Rasalama Andravoahangy
  8. Ny 19-21 Septambra 2018: Fihaonamben’ny Mpampianatra
  9. Ny 30 Septambra 2018 : Fanolorana ny tatitry ny voka-panadinana andrana aty amin’ny Foibe Fitondrantsekoly FJKM varavarana 214 na alefa mail : dnesekolyfjkm@yahoo.fr
  10. Ny 30 Oktobra 2018 : Fandraisana ny tatitry ny voka-panadinana ara-panjakana aty amin’ny Foibe Fitondrantsekoly FJKM varavarana 214 na alefa mail : dnesekolyfjkm@yahoo.fr…..

TORITENY :ALAHADY 10 JONA 2018

Jaona 8 : 31-38

NY FAMPIANARANA AO AMIN’NY SEKOLIN’NY FAHAFAHANA

“Dia hoy Jesosy tamin’ny Jiosy izay nino Azy: Raha maharitra amin’ny teniko ianareo, dia ho mpianatro tokoa; ka ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo”. (Jaona 8:31 sy 32) Andinin-tSoratra Masina nalaina tamin’ny toromarika nataon’i Jesoa tamin’ny Mpianany ireto andininy vitsivitsy ireto. Nanambara ny Tompo fa ho avy ny fotoana izay tsy iarahany amin’ny mpianatra fa handeha izy (and.11). Ny fiakarany any an-danitra sy ny fampanantenany sahady ny fotoana hiaviany indray amin’ny endrika Fanahy Masina no tiany hambara amin’izany. Io Fanahy Masina io no ilay Andriamanitra miasa, Andriamanitra manatrika ny olona ankehitriny na dia tsy hita maso aza. Izy no mitaiza sy manabe ny mino. Ity Perikopa ity dia azo isintonana ireto fotokevi-dehibe ireto:

  1. Ny tena mpianatra mahatoky ny Tompo dia izay maharitra Mankato sy miaina ny tenin’Andriamanitra (31).

 Nambaran’I Jesoa Kristy fa “raha maharitra amin’ny tenikohianareo dia ho mpianatro tokoa”. Izany hoe raha miorina tsara, tsy miova, mahatanty lazon’ady, manana fikirizana ary manana faharetana mianatra sy Mankato ary miaina ny tenin’Andriamanitra no heverin’ny Tompo ho mpianany. Ny tenin’Andriamanitra dia tsy hafa akory fa ilay hafatraampitain’Andriamanitra tamin’ny alalan’I Jesoa Kristy hanambarany ny tenany. Fampianaran’I Jesoa Kristy naverimberiny tamin’ny mpianatra ny maha zava-dehibe ny fiainana sy ny fankatoavana ny didin’Andriamanitra, sady efa nitaizana ny vahoakan’Andriamanitra rahateo izany fahizay: “Ary tandremo ny didiko sy ny fitsipiko; fa raha mahatandrina izany ny olona, dia ho velona amin’izany izy: Izaho no Jehovah” (Levitikosy 18:5) . Io didin’Andriamanitra io dia tsy hafa tsy akory fa ny teniny. Antoky ny fahavelomana maharitra ny fankatoavana ny tenin’Andriamanitra. Nefa koa fanalahidin’ny fahombiazana sy loharanon’ny fitahiana ny faharetana miaina symankato ny tenin’Andriamanitra: “Raha miray amiko ianareo, ka mitoetra ao anatinareo ny teniko, dia angataho izay tianareo na inona na inona, fa ho tonga aminareo izany”. (Jaona 15:7). Ny fitandremana ny didin’Andriamanitra no kofehy mampiombona ny mino amin’I Jesoa Kristy sy Andriamanitra Ray (Jao.14,21) Rehefa feno ny Fanahy Masina ny mpianatra dia lasa fiainany ny tenin’Andriamanitra: “Ary izy ireo naharitra tamin’ny fampianaran’ny Apostoly” (Asa 2,42). Ny Fanahy Masina no mpanabe azo antoka mitaiza antsika hahatakatra ny fikasam-pamonjen’Andriamanitra. Ny Fanahy Masina dia “Mpananatra” ary izao no anambaran’I Jesoa Kristy Azy: “fa ny Mpananatra*, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin’ny Ray amin’ny anarako. Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo. [Gr. Parakleto, dia Mpanampy, na Mpampahery, na Solovava] (Jaona 14:26) Ry Havana, Alahady natokana hitrotroana amim-bavaka ny Sekoly FJKM sy ny asam-panabeazana ataony anio. Tsarovy fa amin’ny maha sekolim-piangonana antsika dia zavadehibe sady tokony hitana ny laharampahamehana ny fanomezana lanja ny fianarana ny tenin’Andriamanitra, ny fankatoavana ny tenin’Andriamanitra eo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina fa sady antoky ny fahelana velona izany no mitondra ho amin’ny fahombiazana azo antoka.

  1. Ao amin’ny Soratra Masina irery ihany no ahazoana fahalalana ny marina (and.32)

 Fa voalaza amin’ny andininy faha 32 koa ny hoe “ ka ho fantatrareo ny marina”. Ny marina ambara eto dia ny marina momba an’I Jesoa Kristy : ny maha Andriamanitra azy, ny asam-pamonjeny, ny fitsanganany tamin’ny  maty sy ny fiainana mandrakizay ampanantenainy ny mino. Izy rahateo no nanambara ny tenany hoe “ Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalako” (Jaona 14:6). Koa raha te hahalala ny marina isika dia miverena mandinika Soratra Masina fa ao no misy ny marina.

 Tsarovy koa fa ny Fanahy Masina irery izay miasa ao anatintsika no hampianatra antsika ny marina rehetra (Jao.14,26). Sady mpanolotsaina no mpananatra ny Fanahy Masina ary mpananatra azo antoka sy marina. Manome antsika fahalalana feno, indrindra ny momba ny fahamarinan’Andriamanitra, ny Fanahy Masina. Nefa koa mitarika antsika hanao ny marina. Ny Jiosy dia mihevitra fa ny fankatoavany ny lalan’i Mosesy no loharanon’ny fahamarinana; saingy nampian’I Jesoa Kristy izany ka nilazany hoe: “Fa ny lalàna dia nomena tamin’ny alalan’i Mosesy; [fa] ny fahasoavana sy ny fahamarinana kosa dia tonga tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy”. (Jaona 1:17).  Koa tsy misy fahamarinana azo antenaina raha tsy ao amin’ny Jesoa Kristy irery ihany, ao amin’ny tenin’Andriamanitra irery ihany izay raisina eo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina.

  1. Ary ny fahalalana miorina amin’ny Soratra Masina irery ihany no mitondra amin’ny fahafahana feno sy azo antoka (and.32).

Voalaza amin’ity andininy faha 32 ity ihany koa fa ny fahamarinana notovozina tao amin’ny fankatoavana ny tenin’Andriamanitra dia mitondra any amin’ny fahafahana. Ny fahalalana tokoa dia iray amin’ny singa ilaina hitondra amin’ny fahafahana ary fantatry ny mpanabe rehetra izany. I Nelson Mandela aza dia niteny fa fitaovam-piadiana mahery vaika ho amin’ny fampandrosoana maharitra ny fanabeazana,izany hoe ny fanitaram-pahalalana. Mihoatra lavitra noho izany ny ambaran’ny Soratra Masina. Fa anterin’I Jesoa Kristy mazava fa: “… raha ny Zanaka no hahafaka anareo dia ho afaka tokoa hianareo”(Jao.8:36). Tsy ny vola aman-karena, tsy ny fitaovam-piadiana mahery vaika sy ny fampiasan-kery no loharanon’ny fahafahanafa I Jesoa Kristy. Ny fatorana sy ny aizin’ny fahafatesana aza resiny. Ary ny fitsanganan’I Jesoa Kristy tamin’ny maty no fanombohan’ny fahatanterahana ny amin’ny fahafahana feno omen’Andriamanitra izay rehetra mino Azy. Ireo asam-panafahana rehetra nataon’I Jesoa Kristy voarakitra ao amin’ny Soratra Masina dia manambara fa sitrak’Andriamanitra ny hanome fahafahana ny olona mba hananany fiainam-piadanana maharitra. Nanova ny rano ho tonga divay, nasitrana ny marary Izy, nandroaka demonia maro, nanome hanina ny olona mihoatra ny dimy arivo, nanangana ny maty. Izany hoe ny olam-piainana teo anivon’ny fiarahamonina rehetra dia novahan’I Jesoa Kristy avokoa. Endrim-panafahana izany.

Ry Havana malala.  Tena manafaka antsika tokoa ny tenin’Andriamanitra ary tsy fahafahana mandala fa fahafahana sy fiadanana maharitra no omen’ny Tompo izay Mankato ny teniny. Koa alao hery àry. Mahaiza misitraka ny fahafahana azo antoka omen’Andriamanitra antsika.

Fehiny: I Jesoa Kristy no Tenin’Andriamanitra tonga nofo no mpanabe filamatra. Ka ny fiombonana aina aminy, ny fianarana sy ny fankatoavana ny teniny no etikam-piainana mitondra antsika hizotra amin’ny lalan’ny fahamarinana, satria I Jesoa Kristy no “Ilay Marina”. Ao aminy ihany koa no misy ny fahafahana feno sy azo antoka. Koa samia milofo amin’ny fianarana ny Tenin’Andriamanitra eo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina “ilay mpananatra” izay mpanampy antsika sy mitaiza antsika ho amin’ny fahamarinana sy hisitraka feno ny fahafahana.

Andriamatoa RANAIVONIARIVO Tiana Alisoa, Mpitandrina

Mpiandraikitra Foibe, Mpiahy ny Sekoly FJKM

 

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV