FLM / Jobily roa sosona teny Mahamasina

Fiangonana Loterana Malagasy

Namarana ny jobily lehibe roa sosona teny Mahamasina

 “Ary nihanahery finoana ny fiangonana sady nihamaro isan’andro”(Asa 16:5b). Io no teny faneva nentin’ny Fiangonana Loterana Malagasy namarana ny jobily faha 150 taona ny FLM sy ny faha-500 taonan’ny Reformasiona izay notanterahina teny amin’ny kianjaben’i Mahamasina ny Alahady 27 Mey lasa teo. Mifanaraka araka izany amin’io teny io ny tanjona na ny vinan’ny fiangonana amin’ny ho avy dia ny mitombo ara-pinoana sy mitombo arak’isa. Navoitran’ny filohan’ny FLM, ny Pastora Dr. RAKOTONIRINA David tamin’ny fandraisam-pitenenana nataony ny fandrosoana misy eo anivon’ny fiangonana iadidiany  ankehitriny. Efa tafakatra 4 tapitrisa ny isan’ny mpino loterana amin’izao fotoana izao ary heverina hotratrarina ny 8 tapitrisa amin’ny taona 2018. Nambarany ihany koa ny fiaraha-miasa amin’ireo fikambanana na vondrom-piangonana maro any ivelany toy ny NMS, ny DEFAP, ny CBM, sns; ny fandefasana misionera any ivelany toy ny any Tanzania, Cameroun, Bangladesh, Thaïlande. Nasiany resaka ihany koa ny fanamby lehibe miandry ny FLM manoloana ny zava-misy eto amin’ny firenena ka ny FLM dia miezaka ho amin’ny fahamarinana ara-tsosialy, ara-toekarena, ary ara-politika.

Manao antso avo ny FLM ny hisian’ny fihavanana sy fandriampahalemana marina. Nampahatsiahiviny ihany koa ny ezaka lehibe miandry ny mpino kristiana loterana amin’ny fanorenana tsangambaton’izao jobily lehibe roa sosona izao, dia ny trano hatsangana eny Isoraka ho trano Foiben’ny FLM.

Tonga maro ireo mpino kristiana teo anivon’ity fiangonan-dehibe iray eto amin’ny firenena ity nanatrika izany fotoan-dehibe izany. Ankoatra ny avy eto Antananarivo dia tonga maro ihany koa ny avy lavitra tany amin’ny faritany. Andro lehibe iny andro iny ka tonga tonga teny ihany koa ny solontena avy amin’ny FLM eran-tany sy avy ao Afrika izay nandray anjara tamin’ny fandraisana fitenenana. Nanotrona koa ny avy amin’ny olom-panjakana teto amin’ny firenena toy ny avy eo anivon’ny kaomina Antananarivo renivohitra sy ny avy amin’ny fitondram-panjakana.

Miisa 25 ny Synodam-paritany eo anivon’ny FLM ankehitriny, Fileovana 327 ka ny 7 farany amin’ireo vaovao nanampy; Ahitana Fitandremana maherin’ny 1400 sy trano fiangonana hatrany amin’ny 8500.

Marihina, fa nitohy tamin’ny antsan-kiran’ireo antokom-pihira maro ny fotoana taorian’ny fanompoam-pivavahana maraina.

Aris

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV