Fanazavana ny Perikopa Jiona 2018.

Miantsoa fanafahana avy amin’ny Tompo

 “Miantsoa fanafahana avy amin’ny Tompo”. Izany no maso ijerena ny perikopa mandritry ny efatra Alahady. Tsy ny Perikopa rehetra anefa no hatolotra etoana fa ny voalahatra araka ny Filazantsara ihany. Fanontaniana telo miantoana no mby ao an-tsaina ka tsy maintsy valiana araka ny perikopa mba ho tratra ny fanazavana ny Soratra Masina hifanaraka amin’ny lohahevitra. Ireto avy ireo fanontaniana ireo ka ezahina aseho amin’ny alalan’ny fafana iray lehibe.

Perikopa

Iza no miantso fanafahana ?

Afahana amin’ny inona ny Fiangonana ? Ahoana no fanatanterahan’i Jesoa ny fanafahana ?
Lioka

1, 67- 75

Ny olona manana ny Fanahy Masina, toa an’i Zakaria (and. 67) Famonjena amin’ny fahavalo sy ny mpankahala (and. 71)

 

Amin’ny alalan’ny fijereny ny Fiangonana (and; 68)

Amin’ny alalan’ny famindrampo sy ny fanatanterahany ny fanekeny (and.72)

Amin’ny fahamasinany sy ny fahamarinany izay miako amin’ny Fiangonana (and. 75)

Jaona

8, 31- 38

I Jesoa no miantso fanafahana Fanafahana amin’ny fahotana izay manandevo (and. 32, 34) Amin’ny fampiainana ny teniny ka ho mpianany (and. 31)

Amin’ny fanoherana ny tenin’ny olona izay manohitra ny tenin’ Andriamanitra (and. 38)

Lioka

4, 14- 20

Izay mandray ny Fanahy Masina ho fananany ao anatiny (and. 18) Fanafahana amin’ny fahalelovana, amin’ny fangejana, amin’ny fahajambana, amin’ny fampahoriana Amin’ny alalan’ny fitondrana teny soa mahafaly (eto, miseho amin’ny famakiana ny Soratra Masina ho an’ny hafa izany)
Matio

6, 9- 15

Ny tsirairay izay manandratra vavaka no miantso fanafahana ho an’ny tenany sy ho an’ny hafa. Amin’ny fanamelohana noho ny fahadisoana.

Amin’ny fakam-panahy mitondra fandavana ny Tompo

Amin’ny ratsy

Amin’ny fiankinana tanteraka amin’Andriamanitra

 

Ho an’Andriamanitra irery ihany anie ny voninahitra.

RAKOTOZANANY Andrianirinomena Jules, Mpitandrina

 

 

 

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV