Fehin-kevitra/ Synodampinoana 2018.
SYNODAMPINOANA VOALOHANY
(15-18 May 2018)
FJKM ANDRAINARIVO FAHASOAVANA
Araka ny Fanambaram-pinoana nataon’ny Synoda Lehibe faha 17 tany Manakara (Aogositra 2012), dia « tsy afaka miaraka ny maha Kristiana sy ny Framasaonery ; tsy afaka miaraka ny maha Kristiana sy ny Homosexualité ». (araka ny FD and-22 andalana 1).
1-MOMBA NY FRAMASAONERY
1.1- Fanazavana ara-potopinoana
Ny Fivavahana Kristiana dia maneho ny fahatsarana indrindra :
° mampivelatra ny maha-olona ao amin’i Jesoa Kristy ny finoana kristiana. °miorina sy miaina ary mifikitra amin’ny Tenin’Andriamanitra izay milaza ny finoana mahavonjy ao amin’i Jesoa Kristy irery ihany
– Hamafisina ny fampianarana ny Soratra Masina sy ny maha protestanta reforme ka ialana ny marimaritra iraisana izay manohitra na manalavitra ny Soratra Masina.
– Fanamafisana ny fampianaram-pinoana hiatrehana ny Framasaonery : batisa , Fanasan’ny Tompo, Firahalahiana kristiana, Fanekena, Asa sosialy, fahaizana manome voninahitra an’Andriamanitra, fihariankarena, fahaiza-miaina, fitondrantena, fitiavana, famatsiam-bola, fanolorana na fahafoizana, fandraisana andraikitra, fanomezam-pahasoavana
– fivavahana hafa noho ny Kristianisma ny Framasaonery :
° mivavaka amin’i Losifera ataony hoe Grand Architecte de l’Univers
° mandà ny Trinité, ary hita fa te hihoatra an’Andriamanitra mihitsy
° tsy mino ny famonjen’i Kristy sy ny maha Tompo Azy
° manao Fanekena mifanohitra amin’ny Soratra Masina
° manana litorjia sy fomba, manana trano fiangonana, manana mpitondra fivavahana
° manao ny olona ho ivon’ny fivavahany (fivoizana ny fahasambaran’ny olona mpanaraka azy, ny fahafinaretany, …).
° firahalahiana tsy ao amin’i Jesoa Kristy no misy any amin’ny Framasao
1.2-Fanapahankevitra
Ampidirina ao anatin’ny katekisma sy ny fampianarampinoana ataon’ny FJKM ny momba ny fiatrehana ny Framasao
– omena tari-dàlana ny Mpitandrina sy ny tomponandraikitra amin’ny fanaovana fandresen-dahatra sy dinika atao amin’ny olona framasao
– Faritana ny momba ny maritrano fiangonana (polipitra, alitara) sy Sekoly, ny akanjom-panompoana sy ny zioga (tapaky ny Synoda Lehibe Arivonimamo 1980), ny hira sy mozika, ny rafitra sy litorjia, ny fomban’ny Fiangonana, ny fihetsika mandritra ny fanaovana fanompoampivavahana
– fandraisana an-tànana pastoraly ny Framasao : fitaizana, fialana nenina, fampiatoana tsy ho Mpandray
– fampiatoana amin’ny andraikitra mandritra ny fotoana handraisana an-tànana pastoraly azy ireo, ka hiverenany amin’ny làlan’ny fibebahana
-fanasongadinana any amin’ny Fanekena atao ny fandavana ny fanompoan-tsampy rehetra
– fampiasana ny Baiboly misy Jehovah sy Jesosy (na Jesoa) amin’ny famakianteny amin’ny fanompoam-pivavahana, fa ny hafa dia ho amin’ny fikarohana ihany no ampiasaina azy
– famoahana didin’akanjom-panompoana ho an’ny laika ny FJKM, ary arahina izany.
2-MOMBA NY HOMOSEXUALITE
2.1-Fanazavana ara-poto-pinoana
Manohintohina ny maha Mpahary an’Andriamanitra ny homosexualité, fikomiana sy fihantsiana ary fifaninanana Aminy.
– Tsy nahary olona ho Homosexuel mihitsy Andriamanitra
– fahotana, vokatry ny fahalavoana, eo anatrehan’Andriamanitra ary tsy handovana ny fanjakan’Andriamanitra ny Homosexualité
– Misokatra ho an’ny olona rehetra ny Fiangonana, ary ho an’ny olona rehetra koa ny famonjena.
– manohitra ny lamina efa nataon’Andriamanitra ny homosexualité:
° lahy iray sy vavy iray no mivady,
° fitohizan’ny taranaka ny fanambadiana
° fahafenoan’ny “endrik’Andriamanitra” ny fiarahan’ny lahy sy vavy ao amin’ny fanambadiana
° fanohizana ny fahariana izany
– mampianatra marina ireo Soratra Masina izay niniana nodisoin’ny Homosexuel
– manamafy ny fampianarana momba ny antropolojia biblika ao amin’ny Fiangonana, katekomena, Sampana
– manatevina ny fiofanana momba ny fanambadiana, ka mampianatra zavatra hafa ankoatran’ny Fanekena sy fandaminana ny fanompoam-pivavahana
– mitaiza ny ankizy sy ny tanora, araka ny maha lahy sy maha vavy azy voajanahary – mampiorina ny fitaizana ao anaty « tsimisaramianakavy » sy Fiangonana ankohonana, no atao, ho fiombonana aina ho an’ny rehetra
– mampirisika ny zanaky ny Fiangonana manana andraikitra eo amin’ny firenena, tsy hanao volavolan-dalàna ary tsy handany izay lalàna manome vahana ny Homosexualité
– mitory sy mampianatra ny Zon’olombelona araka ny Soratra Masina ny Fiangonana
– miaina fitiavana tsy misy fanilihana na fitsaratsarana ny Fiangonana
– mahay mandray ireo fampianarana eto an-toerana sy avy any ivelany amin’ny maso kristiana : fitafy, fitaizana
2.2-Fanapahankevitra
Fanamafisana ny fampianaram-pinoana amin’ireo tompon’andraikitra ao amin’ny Fiangonana sy ny Sampana, ny momba ny maha lahy sy maha vavy – tsy mitsodrano ny fanambadian’ny Homosexuels ny Fiangonana, izay tsy nahazo tsodrano avy tamin’Andriamanitra
– fandraisana an-tanana pastoraly ny Homosexuel : fitaizana, fialana nenina, fampiatoana tsy ho Mpandray
– fampiatoana amin’ny andraikitra mandritra ny fotoana handraisana an-tanana pastoraly azy ireo, ka hiverenany amin’ny lalan’ny fibebahana
– fananganana sehatra fitaizana ho an’ireo efa tafiditra amin’ny Homosexualité, ho fanampiana azy ireo hiala amin’izany
– fanomezana tantsoroka ho an’ireo manana fahasamponana ara-boajanahary, mba tsy hihevitra ho voailika izy ireo.
Andrainarivo, faha 18 May 2018
Ny Filohan’ny FJKM,
IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi, Mpitandrina