Fananganana Fiangonana vaovao an-drenivohitra ( II)

SANTIONANY AMIN’IREO TOMBONTSOA AZO AMIN’NY FANORENANA FIANGONANA VAOVAO ETO ANTANANARIVO SY NY MANODIDINA

Azo heverina fa maro no mety ho tombontsoa amin’ny fanorenana fiangonana vaovao ary mahakasika an’Andriamanitra, ny olona manodidina sy ny mino tsirairay, ny fiangonana ankapobeny, ny Mpitandina, fiaraha-monina sy ny firenena mihitsy aza izany.

Ny mahakasika an’Andriamanitra

Miteraka fifaliana ho an’Andriamanitra izany satria azo antoka fa ny fisian’ny fiangonana iray mijoro dia heverina tokoa fa hisy olona, na dia iray aza, farafaha-keliny, hibebaka ary hiala amin’ny fahotany ka hanolo-tena ho isan’ny mino sy ho isan’ny fiangonan’Andriamanitra. Tonga olom-baovao. Izany no tena mahafaly ny Tompo ka mampisy fifaliana lehibe any an-danitra.

Ny olona manodidina sy ny mino tsirairay

Misy ary efa miha-maro ireo tsy afaka mamonjy fiangonana intsony noho ny fahalaviran’ny toerana misy ny fiangonana na koa noho ny tsy fahasalamana na mety ho fahanterana. Eo ihany koa ny tsy fahasahiana miala an-tanàna noho ny amin’ny fandriampahalemana. Ireo tsy mbola mandeha mihitsy satria lavitra ny fiangonana. Ireo niala tao amin’ny fiangonana noho ny disadisa samihafa tamin’ny tomponandraikitra na tamin’ny mpiara-mivavaka. Ny fisian’ny fiangonana manakaiky azy eo anefa, dia manampy be dia be azy ireny handresy ny fakam-panahy hipetraka fotsiny na sanatria hifindra fiangonana hafa izay mety miorina manakaiky azy eo.

Ny fiangonana ankapobeny

Tsy isan’ireo fiangonana momba fa tena miteraka ary mihevitra izay hampivelatra kokoa ny fiangonana sy ny asan’Andriamanitra amin’ny ankapobeny. Voasoratra eo amin’ny tantara ny asa goavana nataony amin’ny fanitaram-piangonana mba ho voninahitr’Andriamanitra. Manana asa atao ary asa misokatra amin’ireo mila vonjy ny fiangonana. Tsy fotodrafitr’asa fotsiny izany fa tena fitaizana feno sy mitohy ho fanohizan’asa maharitra ary mahakasika ny olona rehetra sy ny olona manontolo mihitsy.

Mitombo indray ny isan’ny fiangonana eto an-drenivohitra izay heverina hatanjaka aoriana kely, ka hifanampy amin’ny fanatrarana haingana ireo faritra manodidina,izay mila mpitory Filazantsara ka hanao Tafika Masina any. Izay ilay antsoina ihany koa hoe mpianatra mampitombo.

Ny Mpitandrina

Noho ny fahamaroana loatra ao amin’ny fiangonana iray, dia misy tsy araky ny Mpitandrina intsony ny asa fanaraha-maso ny fiainam-panahin’ny Kristiana. Miteraka havizanana tafahoatra izany, ary mitarika aretina aza ho an’ny sasany. Tsy hatahorana ihany koa ny hivadihan’ny olona sasany amin’ny fivavahana amin’olona (culte de personnalité) ka hoe: ‘‘tsy maintsy i Pasitera ihany no mitory vao mahazo aina aho.’’ Mba misy fiangonana vaovao hametrahana ireo Mpitandrina efa ela nihetezana ka tokony hiakatra an-drenivohitra kokoa indray. Mety hampihena ireo disadisa maharitra sy saro-bahana misy ao am-piangonana eo amin’ny samy mpivavaka na ny mpivavaka sy ny tomponandraikitra samihafa.

Ny fiaraha-monina sy ny firenena.

Manampy ny fiaraha-monina amin’ny fitaizana ny mponina eo aminy ny fisian’ny fiangonana eo amin’ny tanànany, ary mariky ny fanekena ataon’Andriamanitra amin’izany faritra izany rahateo ny fiorenan’ny fiangonana manakaiky ny olona. Miteraka fahasambarana ho an’ny firenena izany; satria raha ny tokony ho izy dia ny fiangonana =mino maromaro mitambatra. Ireo mino ireo kosa amin’ny ankapobeny, dia olona mandray andraikitra feno ary mijoro ho vavolombelona ao amin’ny fiaraha-monina misy azy. Fitahiana ho an’ny fiaraha-monina araka izany ny fisiany ao.

Fehiny

Ny fananganana fiangonana vaovao eto Antananarivo renivohitra sy ny manodidina, dia tena fanamby atrehintsika fiangonana sy ny kristiana FJKM rehetra. Fanamby satria tsy maintsy mila faharesen-dahatra avy amin’ny tsirairay ny fanatanterahana azy. Ary tena asan’ny fiangonana manontolo satria asa vadi-drano ka mila fiaraha-mientana. Ny Tompo hanome hery antsika hazoto amin’ny fanompoana an’Andriamanitra sy ny fiombonana amin’ny asa ho Voninahitry ny Tompo.

Ny Evanjelisitra an-tànan-dehibe 

ANDRIANANDRIANINA Harisoa, Mpitandrina FJKM ,   2018

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV