IREO MAHATONGA NY OLONA HO LASA FRANC-MACON.

FANTARO NY ZAVATRA REHETRA

Ny fanadihadiana manaraka eto, dia ijerena izay tokony hahatonga ny Fiangonana hahay mitantana ny olona ao aminy, ka tsy ho lasan’izao na izatsy.

Misokajy telo (3) mazava izany zavatra manintona ny sasany handeha any ivelan’ny Fiangonana, toy ny Franc-maçon izany, ary zary ireharehany mihitsy aza.

ANTONY ARA-TSOSIALY

Mitady fihaonana, toerana, fikambanana mandray azy ny olona. Izany fandraisana azy izany dia iriany indrindra ho firahalahiana mahafinaritra. Ny endrika isehoan’izany dia ny fifanampiana, ny fifamonjena, ny fanaovana “asa soa”. Miendrika fivavahana mihitsy izany fanaovana “asa soa” izany ho an’ny Franc-maçon, ary azo lazaina fa toy ny fivavahana mivoy ny famonjena amin’ny alalan’ny asa soa vita izy ireo. Raha mandringa amin’ny fanaovana asa soa ho an’ny mpiara-belona ny Fiangonana, fa mihidy ao anaty rindrina efatra ao fotsiny, dia mampahatanjaka ny sasany toy ny Franc-maçon izany.

ANTONY ARA-PAHALALANA

Ny olombelona dia mila sehatra ahafahany mizara sy mandray fahalalana. Mila henoina sy mihaino azy ny mpiara-belona amin’izany. Tsy andosirana ny fahasamihafan-kevitra, nefa tena hay ny manana fandeferana amin’ny fihainoana sy fanajana ny hevitra hafa noho ny an’ny tena. Ny Franc-maçon dia manome sehatra tokoa ny fahasamihafan-kevitra anaty fifampihainoana  amim-panajana. Rehefa miziriziry sy mitompo teny fantatra amin’ny hevitra iray ny Fiangonana, dia mandray anjara mandefa ny olony hanaraka ny sasany toy ny Franc-maçon izany. Aza ailika izay tsy mitovy hevitra amin’ny mpitondra.

ANTONY ARA-PIVAVAHANA

Mitady izay fahazavana ara-panahy ny olombelona, ialany amin’ny aizina ka hahitany ny mazava. Rehefa hiditra Franc-maçon ny olona iray dia tampenana ny masony, toy ny milaza fa avy any amin’ny aizina izy, ary entina ho any amin’ny mazava. Io fitadiavana ny mazava sy fialana amin’ny aizina io no anjonoan’ny Franc-maçon ny mpino. Rehefa jamban’ny fampianaran-diso tsy manafaka ho any amin’ny fahazavana ny mpino, dia miandry azy ny Franc-maçon.

TSY MIARAKA

Fanontaniana manitikitika ny maro ny hoe : azo atao ve ny sady Kristiana no Franc-maçon? Raha jerena ireo Fianianana (serment) maro ataon’ny Franc-maçon, dia tsy afaka hiaraka mihitsy ireo. Be ny Kristiana no tafintohina rehefa mamaky ireny Fianianana ataon’ny Franc-maçon ireny.

Ny Andriamanitra ivavahan’ny Franc-maçon dia tsy Ilay ivavahan’ny Kristiana, fa anankiray amin’ny andriamanitra (un être supreme) ihany. “Le grand architecte de l’univers” no iantsoan’izy ireo io andriamanitra ivavahany io.

Ny finoana tenenin’ny Franc-maçon dia tsy tonga mihitsy amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy ho Tompo sy mpamonjy azy.  Voarara rahateo ao amin’ny fihaonan’ny Franc-maçon ny miresaka ny finoan’ny tsirairay, ho fanajana ny “firahalahiana” ao.Ny fombam-pivavahana arahina ao amin’ny Franc-maçon dia tsy miara-dalana amin’ny an’ny Kristiana, izay tsy maintsy miorina sy mandala ao amin’i Jesoa Kristy.

Tsy takona afenina ny fisian’ny mpitondra fivavahana kristiana izay Franc-maçon, na taloha na ankehitriny. Misy koa ny vondrona Franc-maçon anglisy izay manao fianianana amin’ny Baiboly na Coran na boky masina hafa. Toy ny fisian’ny mpitsara tsy manaja lalàna, sanatria ny fisian’izany. Toy ny hoe tsy ny mpitsara rehetra no tsy manaja lalàna, dia aoka hiavaka tsara izay Kristiana sy Franc-maçon.

PS

 

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV