TOPAZA FJKM / Fandaharana iombonana

ALAHADIN’NY TOPAZA FJKM
22 Aprily 2018

HAFATRA 

Ry havana ,

Ho amintsika mandrakariva hatrany anie  ny fiadanan’ny Tompo .

Am-pifaliana no hiarahabana a antsika rehetra  vita soa ny krismasy 2017  sy nahatratra ny taona vaovao 2018. Miarahaba  antsika rehetra  ihany koa  noho  ny fankalazana   an’ Andriamanitra  noho ny faha- 50 Taonan’ny FJKM , ho fiangonana miroborobo  amin’ny fijoroana ho vavolombelon’ny Tompo  hatrany  anie ny  Fjkm ka hamonto  Filazantsara  ny Nosy Madagasikara .

Fifaliana hatrany  koa ny mampahafantatra   antsika  fa feno  75 Taona amin’ity taona ity  izao ny asa  masina  napetraky ny Tompo   ho an’ny TOPAZA , ary   hanohy  hatrany   ny fanomezan-tànana  amin’ny alalan’ny Rakitra   ho entina  amin’ny fampandehanana  ny ivo-toerana .

Mirary soa  ho antsika rehetra   ry havana ary  manao veloma   finaritra  amin’ny Anaran’ny Tompo.

« Avelao  ny zaza  hanatona Ahy , ary aza rarana, fa an’ny toa azy ny  fanjakan’ Andriamanitra »  Marka 10.14

Ny fianakaviamben’ny  TOeram-PAmonjena ZAza

Ny Filohan’ny Komity

RANDRIANJA Voahangy

Ny Tale

RAKOTOARIVONY Tantely

…………………………………………………………………………………………………………………………….

Fandaharana iombonana 

1-Fidirana

2-Fiarahabana  Apostolika : Apo 1.4b

3-Fiantsoana ny Anaran’ Andriamanitra : Sal 122

Hira FF11

Vavaka

4-Sitrapon’ Andriamanitra : Lio 18.16b « sambatra ny mahitsy làlana … »

Hira FF2.1

5-Fifonana

Hira 403

6-Famelan-keloka :  Apo3.11-12 « Sambatra  ny olona izay  voavela ny helony … »

Hira 107.2-3

7-Fanekempinoana  IV

8-Filazan-draharaham-piangonana

Hafatra avy amin’ny TOPAZA

9-Rakitra (Antoko mpihira  na Hira 109)

Fanolorana ny Rakitra : Hira 144.1,3

Hira 786.1,4

10-Fampianarana  ho an’ny ankizy sy tanora

Hira FF6

11-Fankalazana ny Tenin’ Andriamanitra

Hira 310.1,3

Vavaka

Hira 823.1-2

12-Toriteny

Feon-javamaneno

13-Vavaka  fangatahana  + Rainay …

14-Asa vavolombelona

Hira 347

15-Tsodrano  ( Hebreo 13.20-21)

An’ Andriamanitra irery ny Voninahitra . Amena

 

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV