Foto-dalàna sy Fitsipika/momba ny Sekoly FJKM.

Ny Sekoly FJKM

Araka ny tetikandron’ny Foibe FJKM dia hotanterahina any Mahajanga, amin’ny 27- 28- 29 aprily 2018, ny andron’ny Sekoly FJKM. Noho izany, ndeha horesahina izay ambaran’ny Fotodalana amam-pitsipika (FDF) momba ny Sekoly FJKM.

Ny Mpiandraikitra Foibe, araka ny Fotodalàna sy Fitsipika (FDF) and. 265.19 no mamaritra ny isa sy ny anaran’ny Departemanta eo anivon’ny Foibe. Ankehitriny dia miisa telo io departemanta io, izay sehatra mijoro ho mpiara-miombon’antoka ho amin’ny fanatanterahana ny fanapahan-kevitry ny Synoda Lehibe. Ny Sekretera Jeneraly no mitarika azy ireo amin’izany. Ankehitriny, ireto ireo Departemanta telo ireo : Departemantan’ny Fiangonana, ny Departemantan’ny Sekoly ary ny Departemantan’ny Mpiasa sy ny vola.

Samy manana ny Toniany avy izy ireo ka ny Sekretera Jeneraly no loharanon’ny fanendrena azy, araka ny FDF and. 272.4 hoe: “ny andraikitry ny Sekretera Jeneraly dia:…Manendry sy manala ny Tonian’ny Departemanta rehefa nahazo ny fankatoavan’ny Mpiandraikitra Foibe.

Amin’izany, ny antom-pisian’ny Sekoly dia ny hiasa ho vavolombelona ao amin’ny tontolo iainana, araka ny FDF and. 103. Io Tonia io no tomponandraikitra voalohany eo anivon’ny departemanta ijoroany. Na izany aza, tsy mandeha irery ny Tonia fa misy ireo mpiara-miombon’antoka aminy. Koa mijoro ny Foibe Fitondran-tsekoly na ny “FFS” eo anivon’ny FJKM handamina sy hitantana ny Sekoly FJKM (and. 310) ka ny Fitsipiky ny Sekoly FJKM no mifehy azy amin’izany, araka ny voasoratra hoe: Manana Fitsipika mifehy azy ny Sekolin’ny FJKM, ary misy fepetra manokana momba ireo asa aman’andraikitry ny Tonian’ny Departemantan’ny Sekoly Foibe sady Tale Nasionalin’ny Sekoly, izay tapahin’ny Zaikaben’ny Sekolin’ny FJKM, ka atolony ny Mpiandraikitra Foibe mba hankatoaviny”. (and. 311)

Tsy eo anivon’ny Foibe ihany anefa no misy vondron’olona tomponandraikitra ho amin’ny fampandrosoana ny sekoly FJKM fa hatrany amin’ny ambaratongandrafitra any ifotony dia mijoro ireo tompon’andraikitra araka ny And. 158 hoe: Ho fanolokoloana sy ho fitaizana ny Mpampianatra sy ny Mpiasan’ny Fampandehanan-draharaha ao amin’ny Sekolin’ny FJKM dia adidin’ny Foibe Fitondran-tSekolin’ny FJKM sy ny Faripiadidiam-Pampianaran’ny FJKM isam-paritra ary ny Sekoly tsirairay isan’Ambaratongan-drafitra ny mikarakara fiofanana ara-potoana mba ho fanatsarana ny fomba sy teknikam-pampianarana ankapobeny na isan-taranja, mbamin’ny teknikam-pitantanana.”

Fa eo anivon’ny Fitandremana izay misy Sekoly FJKM kosa dia ny Filan-kevitry ny Sekoly (FKS) no ambatongam-pitondrana, tokana, mitantana ny Sekoly FJKM.

Ny Fitsipika anatiny, mifehy ny fampianarana ao amin’ny Sekoly FJKM (and. 42) no mamaritra ireo mpikambana ao amin’ny FKS, izay ahitana sokajina tomponandraikitra roa. Andaniny, ny Tomponandraikitra, mpikambana avy hatrany, izay ahitana ny Talen’ny Sekoly, sady Filohan’ny FKS sy ny Mpitandrina, izay Filoha Mpanampy, ary ny Filohan’ny Fikambanan’ny Ray aman-drenin’ny Mpianatra. Fa ankilany kosa, ireo solotena voafidin’ny sehatra nihaviany avy: Mpampianatra isaky ny ambaratonga, Mpiasan’ny fampandehanandraharaha, Diakona roa ary Mpikambana avy ao amin’ny Biraon’ny ray aman-drenin’ny Mpianatra.

Koa eo anatrehan’izany, ny Sekoly sy ny Fiangonana dia toy ny vary sy rano ka tsy ho afa-pisaraka. Amin’izany, ny tanjaky ny Fiangonana dia taratra ao amin’ny herin’ny Sekoliny. Koa raha miroborobo ny fitoriana ny Filazantsara dia hahazo aina tanteraka ny sekoly FJKM.

RASORAPIANGONANA

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV