Fanazavana perikopa Aprily 2018.

Manolotra ny fiainany ny Tompo

Miditra ao anatin’ny vanimpotoana isongadinan’ny loko litorjika fotsy ny Fiangonana ankehitriny. Ny loko fotsy izay fanehoana hevi-dehibe telo (araka ny Fotodalana and. 10.5): Fandresen’ny Tompo sy izay miaraka Aminy, Fiderana sy fanandratana ny herin’ny Tompo, ny Fanjakany sy ny fanapahany feno amin’izao rehetra izao, ary farany, Fahadiovana sy fahamasinana.

Fotoan-dehibe telo no isian’io loko litorjika io dia ny Paska sy ny Fiakarana ary ny fitsofan-drano fanambadiana. Mipetraka any amparahatoka izany mba ho azo ampiasaina amin’izay ho fampiharana azo atao ka mifanaraka amin’ny perikopa.

Fa ny perikopa amin’ny Alahady fahatelo sy fahaefatra no raisina eto mba hitondrana anjara amin’ny ho fanazavana izany. Saingy ny Filazantsara ihany no horaintsina.

  • Matio 7, 7- 14: Ampahan’ilay toriteny lava nataon’i Jesoa tao an-tendrombohitra ity (Matio 5- 7). Ny hahazoan’ny olona fahasambarana (Mat. 5, 2- 12) no fototr’ity toriteny fampianarana ity ka hahatonga ny mpino izay manana io fahasambarana io mba ho tonga fanasina (Mat. 5, 13) sy fahazavana (Mat. 5, 14). Mba hahatanteraka izany dia ireto no tondro zotra tsara halehan’ny Mpino: ny hampihatra marina ny lalàna, izay norenesina sy novakiana, eo amin’ny fiainana (Mat. 5, 17- 48, amin’ireo dia iaingan’i Jesoa Tompo ny miteny hoe: efa renareo…), ny hanaraka tondro zotra tokony hiainana mba hahazoana io fahasambarana io (Mat. 6, 1- 7, 29, amin’ireo dia iaingan’i Jesoa ny miteny hoe: Aza…).

Koa ity perikopa ity dia tafiditra amin’ny fizarana faharoa dia ny tondro zotra hahazoana fahasambarana. Ankilany, misy ezaka takiana amin’ny olona ny hahazoana fahasambarana (mangataka, mitady, mandondona,…) izay ao amin’Andriamanitra tompony sady mpanome izany (and. 7- 11). Fa andaniny, ny fahasambarana dia vokatra azon’ny olona noho ny fahaizany miaina miaraka amin’ny mpiara-belona aminy, eny na dia tsy mora aza ny hiaina izany, satria moa va tsy ny fahasarotry ny fidirana amin’ny varavarana ety (and. 12- 14).

Marka 10, 28- 31: ny Fiainana mandrakizay no fiainana izay omen’ny Tompo Jesoa ny mino. Io no fototra iaingan’ny fanontaniana hoe:“Inona no hataoko handovako ny fiainana mandrakizay ?”(and. 17). Ity fitantarana ny loharano ahazoana ny Fiainana mandrakizay ity, izay ambara eto, dia toy ny mpaka fanadinana ny olona, ka adinina amin’ireto izy mba hahazoany mandova ny fiainana mandrakizay: Voalohany ny fankatoavana ny lalana (na ny didy folo) izay tanterak’ity mpanontany an’i Jesoa ity (and.19). Ny dingam-panadinana faharoa dia ny fiainana io didy io eo amin’ny fifandraisana amin’ny hafa (and.21- 22). Izany no azo amaritana ny maha mpanara-dia ny Tompo na ny maha Mpianatra (araka ny fitaomany hoe: avia hanaraka Ahy, and. 22).

Fa eto amin’ity perikopa ity (and. 28- 31) dia indro i Petera manambara fa afany ity dingana faharoa ity satria isan’izay nahafoy ny zavatra rehetra izy ka nanaraka ny Tompo, mba handraisany ny fiainana mandrakizay. Amin’izay, tsy maintsy miambina ka manohy ny ezaka efa azony sy nataony ny rehetra manana ny fiainana mandrakizay mba tsy hihemotra intsony izy ka ho farany ka ho votsitra ilay fiainana efa azony.

Ho an’Andriamanitra irery ihany anie ny voninahitra.

RAKOTOZANANY Andrianirinomena Jules, Mpitandrina

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV