Alatsinainy 16 Aprily 2018.
Manolotra ny fiainany ny Tompo
Romana 6.1-14
« …ka ny tenanareo dia ataovy ho efa maty ny amin’ny ota fa velona ho an’ Andriamanitra ao amin’i Kristy « (and11)
Ny fiasan’ny fahasoavan’i Kristy eo amin’ny mpino dia :
1-Mamono ny fahotana (and6)
Raha ampiharina ara-bakiteny ny hoe: »fahafatesana no tambin’ny ota »dia efa maty tokoa isika rehetra. Fa ny fahasoavana no manafaka antsika amin’ny herin’ny ota sy ny fahafatesana ka mbola velonaina isika.Izany hoe:mahery noho ny herin’ny ota ny herin’ny fahasoavana ka tsy maty avy hatrany isika fa ny ota ao anatintsika no vonoin’ny herin’ny fahasoavana.Tsy vitan’ny herin’ny tenantsika irery,araka izany ny mamono ny fahotana,fa tsy maintsy manaiky hiasan’i Kristy isika .
2-Mamelona ny fiainana ao amin’i Kristy (and8-10)
Ny fahavelomantsika dia vidin’ny fahasoavan’i Kristy ka ny segondra sy minitra ary ny ora iainantsika dia sandan’ny ain’i Jesoa Kristy maty teo amin’ny hazo fijaliana avokoa. Araka izany, dia ny ho velona ho an’ Andriamanitra no tokony hosetriny havalintsika izany. Aza manaiky ho resin’ny ota intsony isika kristiana satria efa mino ny fahasoavana ao amin’i Kristy.Fiainana tsara sy vaovao no iainan’ny mpino, miaraka amin’i Kristy .
Fanontaniana:
Iadio hevitra: mamono sa mamelona antsika rano teo amin’ny Batisa?
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM