AFIFAB/Rindra gasy fiderana.

FAMARANANA NY HERINANDRON’NY FIFANDRAISANA
 « RINDRA GASY FIDERANA »

Masoandro mody no nampalahelo, hoy ny fitenenana izay, fa dia nafana sy nahafa-po ny mpanatrika ary mendrika ny voninahitr’Andriamanitra ny hetsika nampitondraina ny lohateny hoe : « RINDRA GASY FIDERANA » teny amin’ny Akany FJKM Andravoahangy Fivavahana ny Alahady 25 martsa tolakandro lasa teo.

Ny ASAFIA Ambodihady sy ny TROMPETRA VOLAMENA Manarintsoa Finoana no nandray anjara tamin’izany izay nanehoan’izy ireo fa ny zava-kanton’ny Gasikara dia azo hitoriana ny filazantsara.

Nisy ireo vahiny manokana nasaina (Invité surprise) dia tsy iza fa ny Tarika MENAFIFY avy ao amin’ny FJKM Ambalavao Isotry sy ny tanora tao amin’ny FJKM Amboasarikely Fiadanana.

Ity hetsika ity dia natao ho fanitarana ny Radio Fahazavana manerana ny nosy satria efa nivoaka ny fahazoan-dalana amin’ny faritra fito : Ambatondrazaka, Sambava, Toamasina, Fianarantsoa, Miarinarivo, Moramanga ary Ambatolampy. Inoana fa tsy ho ela ihany koa dia hivoaka ny fahazoan-dalana ny Televiziona Fahazavana. Tonga nanome voninahitra ny fotoana ny Birao Mpiandraikitra Foibe FJKM sy ny Filohan’ny AFIFAB niaraka tamin’ireo komity AFIFAB, ny talen’ny AFIFAB sy ny  fianakaviamben’ny AFIFAB rehetra, na ny tao amin’ny Radio Fahazavana, ny Gazety Marturia vavolombelona, ny Site web, ny Santatra Fahazavana.

Ny hetsika no nifarana fa ny ezaka mbola mitohy. Koa ianao izay vonona handray anjara biriky amin’izany dia mandray anao am-pitiavana ny tomponandraikitra ho fanitarana ny ambaindain’ny fanjakan’Andriamanitra ety amin’ny Foibe FJKM Trano Ifanomezantsoa Analakely  rihana faha 6.

Evariste RASOLOHERY,

Santatra Fahazavana

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV