SP 12 /FJKM  Peniela Fahazavana

TAFIKA MASINA GROUPE FAMONJENA

VM.M  NANDIHIZANKELY

Nanatanteraka Tafika Masina tany amin’ny FJKM Peniela Fahazavana Nandihizankely akaikin’Ambanitsena SPAA 12 ny fikambanana iray Mpitory ny Filazantsara antsoina hoe Groupe Famonjena, izay ivondronan’ireo tanora sy olona resy lahatra ny amin’ny fitoriana ny filazantsara. Ny Zoma 23 sy ny Sabotsy 24 Martsa 2018 teo no natao izany Tafika Masina izany ka nitetezana ireo Faritra 4 nisy teo amin’ny Fiangonana, ary nofaranana tamin’ny fiaraha-mivavaka ny Alahady.

Nanamarika Atoa Randrianarimanana Faliana, Filohan’ny Groupe Famonjena, fa tena betsaka tokoa ny vokatra saingy vitsy ny mpiasa, ka mbola hotohizana ny fiaraha-miasa, indrindra amin’ny fikambanana Sambo fiara ao an-toerana hiaraka hitory ny Filazantsara.

Na dia vao tamin’ny 7 Janoary 2018 teo aza no niorina ity Vondron’Olona Miara-Mivavaka (V.O.M.M) ity dia hita ho mitombo ireo Kristiana satria efa manodidina ny 200 ankehitriny raha 35 izany tamin’ny andro voalohany. Mpanompon’Andriamanitra tsara sitrapo no manome trano hivavahana hatreto, ao koa ireo manome fampitaovana samihafa ka ny alahady 25 Martsa teo nisy nanolotra dabilio 35 isa avy amina Kristiana iray ho fanatsarana ny fiangonana.

Ny hitaona ny olona hiverina am-bala sy ho tonga hiangona no tanjona amin’izao satria lavitra ny fiangonana ka lasa malaina sy mivily lalana ireo kristiana sasany raha ny fanazavana nomen’ny Mpitandrina Rakotoarivelo volamanana Hervé izay manampy ny fiangonana aloha hatreto, ka eo ambany fiahian’ny Evanjelistra an-tanan-dehibe.

Hiatrehana izany vina izany mihitsy no mahatonga azy ireo hitady tany hanorenana trano Fiangonana eny amin’ny manodidina amin’izao fotoana izao, ary efa mandeha koa ny fanangonam-bola amin’ny alalan’ny boatin-drakitra ataon’ny mpiangona ka isaky ny telo volana izany no vakiana.

Ho antsika rehetra maniry ny hiara-hiasa amin’ny FJKM Peniela Fahazavana Nandihizankely dia vonona izy ireo amin’izany koa indro homena antsika eto ny hahafahana mifandray amin’ny filohan’ny komitin’ny fampandrosoana ny Fiangonana any an-toerana dia Atoa Andriamalalaharisoa Daniel Alain (034 05 917 46).

 

Rola-Ravaka (Santatra fahazavana)

 

 

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV