FJKM Rasalama Ambohipotsy / Fetin’ny Batisa

Fetin’ny Batisa no nanamarihana ny Paska 2018

Tamin’ny Alahadin’ny Paska teo dia zaza miisa 26 mianadahy no nandray ny Sakramentan’ny Batisa tao amin’ny FJKM Rasalama Martiora Ambohipotsy.

Mbola tafiditra ao anatin’ny hetsika fankalazana an’Andriamanitra noho ny faha-150 taonan’ny Fiangonana izany. Andriamatoa RABESON Marc, Mpitandrina, no nanatanteraka ny fotoana rehetra araka ny lohahevitra manao hoe: “Ary aoka ny tany rehetra ho henika ny voninahiny. Amena dia Amena.” (Salamo 72, 19b).

Niavaka ity Fetin’ny Batisa ity satria tsy ao anatin’ny fiangonana ny ankamaroan’ireo zaza ireo fa vokatry ny antson’ny Filazantsara tamin’ireo ray aman-dreny sy fianakaviana mpiantoka. Aorian’izao fandraisana Sakramenta izao anefa dia tsy voatery hivavaka ao Ambohipotsy izy ireo fa rehefa nahazo fampianaram-pinoana nandritra ny dinika Batisa dia nomena safidy malalaka hamonjy izay fiangonana akaiky azy ireo indrindra.

Izany tokoa no maneho fa ny tanjon’ny Fiangonana dia ny hananan’ny olona rehetra an’i Jesoa Kristy fa tsy ny hivoy anaram-piangonana.

Niry RAKOTO, Santatra Fahazavana

 

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV