CEVAA / Fiofanana mpanentana Teolojika

Fanofanana andiany faharoa tao Maorisy

Araka ny voalaza tamin’ny lahatsoratra voalohany momba ity fiofanana ity dia mandritra ny telo (3) taona ny fiofanana. Taona 2016 hatramin’ny taona 2018.

Tamin’ny 11 Novambra 2017 hatramin’ny 27 Novambra 2017 indray dia tao amin’ny Nosy Maorisy no nanaovana ny fanofanana andiany faharoa. Teto amintsika teto Madagasikara no efa voatendry hanaovana ity fanofanana andiany faharoa ity fa noho  ny fisian’ny aretina pesta teto amintsika dia nanapa-kevitra ny tompon’andraikitra tao amin’ny CEVAA ny namindrana izany tany amin’ny Nosy Maorisy. Noraisinay am-pifaliana ho fandaminan’ny Tompo izany.

Tonga soamantsara tao amin’ny seranam-piaramanidina Port Louis izahay efatra (4) mirahavavy tamin’ny Alakamisy 09 Novambra 2017 ary notsenain’ny Agence KREOLA, avy eo dia namantana tao amin’ny trano fandraisam-bahiny Business Hotel Crest tao Quatres Bornes, toerana namantanana sy nanaovana ny fiofanana.

Ny Zoma 10 Novambra no nandray anay Andriamatoa Tovo RAMANANTSOA Mpitandrina, iraky ny FJKM any Maorisy miasa amin’ny CEVAA sy Ramatoa Natacha NOYAN (secrétaire administrative de l’Eglise Presbytérienne de l’Ile Maurice – EPIM, teo amin’ny fikarakarana ny “visa” sy nitondra anay nitsidika ireo toerana vitsivitsy : Rose-Hill, Port Louis ary Quatre Bornes izay toerana nisy anay.

Niampy ny solontena vehivavy avy amin’ny Igreja Presbiteriana de Moçambique (IPM) ny mpandray anjara tamin’ity. Tsy niova ireo mpampiofana fa niampy an’Andriamatoa Fidèle Sibomana avy any Rwanda. 27 mirahavavy kosa izahay no nanatrika ity fiofanana andiany faharoa ity.

Ny vontoatin’ireo fanompoam-pivavahana ary fampianarana sy fiofanana natrehinay indray dia fanatrehana fanompoam-pivavahana in-3 miantoana ka ny alahady 12 Novambra 2017 dia fanompoam-pivavahana fanokafana natao tao amin’ny Eglise Presbyterienne-St Columba – Phoenix, ny Alahady 19 Novambra 2017 dia fanompoam-pivavahana in-droa nisesy tao amin’ny Eglise Presbyterienne St André-Rose Hill izay niaraha-niombom-bavaka tamin’ireo kristiana zanatany sy ireo mpiofana AEBA miteny frantsay sy niaraha-niombom-bavaka tamin’ireo Malagasy kristiana mpiara-mivavaka ao amin’ny Aumônier Malagasy tarihin’Andriamatoa RAMANANTSOA Tovo, Mpitandrina Aumonier solotena FJKM iraky ny Cevaa any amin’ny Nosy Maorisy, izay nanasa anay efatra (4) mirahavavy manokana ka nandraisanay anjara tamin’ny fanompoam-pivavahana faharoa.

Ny Alahady 26 Novambra 2017 dia fanompoam-pivavahana famaranana natao tao amin’ny Eglise Presbyterienne St Jean tao Port Louis izay nandraisanay anjara sady nanolorana ireo Sertifika maha-mpandray anjara anay tamin’ny Seminera Fanofanana andiany faharoa.

 Mbola nahaliana sy nampitombo ny fahalalanay indray ireo fianarana sy fampiofanana noraisanay tamin’izany toy ny momba fifindrana (déplacement) ny tatitra momba ny fanentanana nataon’ny tsirairay nandritry  ny taona 2017, ny anjara asan’ny vehivavy ao amin’ny Baiboly, ao amin’ny Fiangonana ary ao amin’ny Fiaraha-monina, ny fianarana ny fomba famakiana ny baiboly manaraka dingana telo (3) izay efa natomboka tamin’ny fiofanana andiany voalohany tamin’ny Novambra 2016: fandinihana, Fahatakarana , fampifanarahana amin’ny andro ankehitriny sy fampifandraisana ny zavamisy manodidina ary fandikana (actualisation – appropriation – interpretation)

Nitohy hatrany ny fanomanana fanompoam-pivavahana fampifantohan-tsaina fohy (Méditation) tsirairay na isam-bondron’olona sy fandinihana tao amin’ny Testamenta Taloha momba ny toeran’ny vehivavy teo amin’ny fiarahamonina hebreo (La situation de la femme dans la Société hebraique), ny fanentanana ara-baiboly ireo tsy mahay mamaky teny sy manoratra, ny fanentanana modely “Aquarium” vondron’olona maro, ny fifandraisan’ireo taranaka mifandimby, mikasika ireo vehivavy sasantsasany tao amin’ny Testamenta Taloha sy Testamenta Vaovao ny fitandroana sy fitehezana ireo fifanolanana (Gestion et prévention de conflits) ny fifanakalozan-kevitra momba ny tombanezaka ka namaliana ireto fanontaniana napetraky ny mpanofana. Tao hatrany ny fitsidihana ireo fiangonana EPM roa tao St Pierre au Piment sy St Joseph Grande Gaube ary fitsangatsanganana teny amoron-dranomasina St Pierre au Piment tamin’ny Talata 22 Novambra 2017 tolakandro sy ny takariva mahafinaritra niarahan’ny fitenenana samihafa nandray anjara ka nadraisana anjara fampisehoana “stetckes” izay niompana indrindra tamin’ireo lohahevitry ny fanofanana.

Ny Zoma 24 Novambra 2017 takariva  dia fiarahana nitsidika ny toerana iray tany Flic en Flac (Hotel Gold Beach) an’ny trano fandraisam-bahiny izay nandray anay ihany fa any amoron-dranomasina ka nampisehoana ny kolontsaina maorisiana sy fiarhaana misakafo maorisiana taminay mpiofana mpandray anjara. Nisy ny fiaraha-misakafo niarahana tamin’ireo solotena avy amin’ny EPIM avy ao amin’ny Nosy Maorisy ny Sabotsy 25 Novambra 2017 alina tao amin’ny toerana nivantananay.

Nifarana tamin’ny Alahady 26 Novambra 2017 tamin’ny fombam-piangonana ny fiofanana tao amin’ny Eglise Presbyterienne St Jean tao Port Louis sady nanolorana ireo Sertifika naha-mpandray anjara anay tamin’ny Seminera Fanofanana andiany faharoa.

Nitodi-doha niverina an-tanindrazana izahay tamin’ny alatsinainy 27 Novambra 2017.Ety am-pamaranana dia nangataka ny fitondranareo vahoaka am-bavaka izahay hahafahanay hampihatra avy hatrany izao fanofanana nianaranay izao.

Raha sitrapon’ny Tompo dia mbola hiatrika ny famaranana ny fiofanana izahay amin’ity volana Novambra 2018 ity izay hisian’ny fanadinana farany hahazoana diplaoma avy amin’ny CEVAA. Atolotray anareo koa ny fifandraisana aminay raha misy ilanareo fiaraha-miasa aminay, izay tena irinay tokoa mba hampitanay sy hampiharanay ary hifanakalozana ny fanomezam-pahasoavana azonay ary ho voninahitr’Andriamanitra irery ihany izany rehetra izany.

Tianay ny manamarika fa ny andinindininy sy ny sary rehetra nandritra ny Fiofanana AEBA andiany voalohany sy andiany faharoa dia azontsika jerena hatrany ao amin’ny Tranokalam-pifandrain’ny CEVAA (www.cevaa.com)

-Ramatoa RAKOTOSON Aina Lovasoanindrainy : 032 60 981 14

-Ramatoa RASOLONOMENJANAHARY Hantamalala Nirinarison : 033 14 684 22

-Ramatoa RAHARISOA Harilina Lucile: 034 02 100 55 – 032 05 564 30

-Ramatoa RABEHARISOA Rakaloanjanahary Fitiavana Antraniavo: 033 37 991 30

“Mandehana amin’izao herinao izao” Mpitsara 6/ 14

Antraniavo

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV